Volontariat Salésien Missionnaire 2014.pdf · Jermenia ihany koa Andriamanitra: «Aza matahotra...

12
Volontariat Salésien Missionnaire Volana Mai 2014

Transcript of Volontariat Salésien Missionnaire 2014.pdf · Jermenia ihany koa Andriamanitra: «Aza matahotra...

Page 1: Volontariat Salésien Missionnaire 2014.pdf · Jermenia ihany koa Andriamanitra: «Aza matahotra [...], satria miaraka aminao aho mba hiaro anao » (Jer 1,7.8), miaraka amintsika

Volontariat Salésien Missionnaire

Volana Mai 2014

Page 2: Volontariat Salésien Missionnaire 2014.pdf · Jermenia ihany koa Andriamanitra: «Aza matahotra [...], satria miaraka aminao aho mba hiaro anao » (Jer 1,7.8), miaraka amintsika

Mai 2014

Vo. Sa. Mi. Volontariat Salésien Missionnaire MSJ – Provinces FMA et SdB - MADAGASCAR - Page 2

Page 3: Volontariat Salésien Missionnaire 2014.pdf · Jermenia ihany koa Andriamanitra: «Aza matahotra [...], satria miaraka aminao aho mba hiaro anao » (Jer 1,7.8), miaraka amintsika

Mai 2014

Vo. Sa. Mi. Volontariat Salésien Missionnaire MSJ – Provinces FMA et SdB - MADAGASCAR - Page 3

I. Teny mahavelona

MPIANATRA MANAMBARA AMIN’NY HAFA

Evanjely tamin’i Md Jn 1, 43-51

Nony ampitso, niroso nankany Galilea Jeso, ary nifanena tamin'i Filipo izy ka nanao taminy hoe: Manaraha ahy. 44 Avy ao Betsaida tanàna nihavian'i Andre sy Piera ihany koa Filipo.

Filipo kosa nifanena tamin'i Natanaely ka nanao taminy hoe: Efa hitanay ilay voalazan'i Moizy tao amin'ny Lalàna, sy nambaran'ny mpaminany, dia Jeso zanak'i Josefa avy any Nazareta. Ka hoy Natanaely taminy: Moa mba mety hisy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Avia, ary zahao. Nony nahita an'i Natanaely tamy nanatona azy Jeso, dia nilaza azy hoe: Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka. Ka hoy Natanaely taminy: Ahoana no nahalalanao ahy? Ary hoy ny navalin'i Jeso azy: Talohan'ny niantsoan'i Filipo anao, dia hitako tao ambanin'ny aviavy hianao. Dia namaly azy Natanaely, ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak'Andriamanitra, hianao no Mpanjakan'Israely. Ary hoy Jeso taminy: Mino hianao satria nilazako fa hitako tao ambanin'ny aviavy hianao; mbola hahita zava-dehibe noho izany aza hianao. Dia hoy koa izy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina ao ambonin'ny Zanak'olona hianareo.

Fandinihana

Joany Evanjelista dia iray amin’ireo mpianatra voalohany nanara-dia an’I Jesoa. Tiany

ny mampahafantatra antsika ny halalin’ny asa nataon’i Jesoa, idirany ny antsipirian-

javatra izay tsy maha rototra antsika loatra. Ohatra amin’izany ny Baiboly manomboka

amin’ny tononkalon’ny fahariana, mitsinjara ho 7 amin’ny fitanisana ireo zava-boary.

Ny Evanjelista ihany koa maka 7 andro amin’ny fanombohan’ny asa nataon’I Jesoa. ( 7

isa lavorary)

Andro voalohany I Joany Batista nanamafy: misy iray tsy fantatrareo eo afovoanareo. Fa

tao anatin’izay herinandro izay, dia izy no olona voalohany nahalala an’I Jesoa. Avy eo

dia anjaran’ny Joany, Andrea, Simona indray. Andro farany tamin’ny herinandro

voalohany nankalazana ilay Mariazy tao Kana, izay nahitan’I Jesoa ny voninahiny. Tsy

nialona I Joany Batista. Fa nanasa ireo mpianany roalahy izy mba hanara-dia an’I Jesoa,

Ary izy ireo no hitarika ny hafa hankeo amin’I Jesoa. Toy izany koa isika: ireo trangan-

javatra sy fihaonana izay tsy ampoizina mitondra antsika any amin’I Kristy.

Page 4: Volontariat Salésien Missionnaire 2014.pdf · Jermenia ihany koa Andriamanitra: «Aza matahotra [...], satria miaraka aminao aho mba hiaro anao » (Jer 1,7.8), miaraka amintsika

Mai 2014

Vo. Sa. Mi. Volontariat Salésien Missionnaire MSJ – Provinces FMA et SdB - MADAGASCAR - Page 4

Inona no tadiavianareo? Tsy hadinon’I Joany io teny voalohany nolazain’I Jesoa azy io.

Tiantsika ny hahalala hoe: Iza I Jesoa, fa izy kosa mangataka amintsika inona no

tadiavintsika, tsy misy dikany hoantsika anefa ny hihaona Aminy raha tsy manana

faniriana koa isika.

Nanomboka niara-nonina tamin’I Jesoa ireo olona ireo. Eny am-pamakivakiana ny

fotoana dia hahafantatra fa i Jesoa no mpampianatra,Mesia, Zanak’Andriamanitra,

mitovy amintsika ihany koa: Miha mandroso amin’ny fahalalana an’I Jesoa isika raha

toa ka manaraka lalam-baovao efa natorony antsika.

Nahalala an’I Jesoa ireo mpianatra roa lahy. Azo lazaina marina fa I Jesoa nahalala

an’ireo nanirahan’ny Rainy Azy. Toy izany no nahalalany an’I Natanaela teo

ambanin’ny aviavy. Izany no fomba filazan’ny mpampianatra ny lalàna rehefa

mampianatra ny finoana, matetika eo ambany aviavy no anantanterahany an’izany.

Mitovy amin’izany ihany koa no nahalalany an’ i Simona, izay nofidin’ny Ray ho vato

voalohan’ny Eglizy.(Mt 16.13)

Hahita ny lanitra misokatra ianareo (51) jereo Jenezy 28. 12. I Jesoa no tetezana eo

amin’Andriamanitra sy ny olombelona. Avy aminy no ampitan’Andriamanitra ireo

hareny amin’ny olombelona.

Fotoana fandinihanao mangina

Anatin’ny vondrona Jody inona I Natanaela araka ny

ambaran’ny Tenin’Andriamanitra?

Raha te-hanambara an’I Jesoa amin’ny hafa ianao,

araka ny andram-piainanao miaraka Aminy. Ho anao : Iza i

Jesoa ? ahoana no fomba anehoanao an’izany?

Page 5: Volontariat Salésien Missionnaire 2014.pdf · Jermenia ihany koa Andriamanitra: «Aza matahotra [...], satria miaraka aminao aho mba hiaro anao » (Jer 1,7.8), miaraka amintsika

Mai 2014

Vo. Sa. Mi. Volontariat Salésien Missionnaire MSJ – Provinces FMA et SdB - MADAGASCAR - Page 5

II. Vatsy

TORITEN’I PAPA FRANSOÀ NADRITRA NY LAMESA NATAO

TAMIN’NY JMJ FAHA-XXVIII, NY 28 JOLAY 2013 (tohiny)

2. Tsy matahotra. Mety misy olona sasany hihevitra hoe: “Tsy voaomana manokana

amin’izany aho, ahoana ny fomba handehanako sy hitory ny Evanjely?”. Ry sakaiza, tsy

mifanova velively amin’ny fahatahoran’i Jeremia mpaminany akory ny fahatahoranao,

vao avy norenesintsika tamin’ny vakinteny teo, rehefa nantsoin’Andriamanitra ho

mpaminany izy tamin’izay. «Ry Tompo Andriamanitra! Jereo ity zaho, tsy mahay

miteny, satria vao erotrerony ». Miteny aminareo tahaka ny noteneniny tamin’i

Jermenia ihany koa Andriamanitra: «Aza matahotra [...], satria miaraka aminao aho

mba hiaro anao » (Jer 1,7.8), miaraka amintsika Izy!

“Aza matahotra!”. Rehefa mandeha sy hanambara an’i Kristy isika, fa Izy mihitsy no

mialoha sy mitari-dàlana antsika. Nampanantena Izy teo am-panirahana an’ireo

mpianatra hoe: «Miaraka aminareo isan’andro aho » (Mt 28,20). Mbola marina ihany

koa izany ho antsika! Tsy mamela velively n’iza n’iza ho irery i Jesoa! Manotrona

antsika hatrany Izy.

I Jesoa tsy nilaza hoe: “Mandehana ianao”, fa kosa hoe “Mandehana ianareo”:

niaraka nirahina isika. Ry tanora malala, tsarovy ny fanohanan’ny Fiangonanana

manontolo anareo sy ny fiombonan’ny olomasina amn’izany iraka ampanaovina anareo

izany. Rehefa atrehintsika miaraka ireo fanamby, mihamatanjaka isika, mahatsikaritra

hery izay tsy noheverintsika akory isika. Tsy mba niantso ireo apostoly mba hiainana

mitokana akory i Jesoa, fa niantso azy ireo hamorona vondrona, ankohonana iray. Te-

hitodika aminareo pretra ihany koa aho izay miara-manontrona amiko izao sorona

Masina izao: tonga nanontrona ireto tanora ianareo, tsara izany, ny mizara izany

andram-piananan’ny finoana izany! Mazava ho azy nampahatanora anareo izany. Ny

tanora no mamindra fahatanorana. Kanefa mbola dingana anankiray amin’ny dia atao

izany. Miangavy anareo re aho, tohizo hatrany ny fanotronana azy ireo amim-pitiavana

sy an-kafaliana, ampio mba handray andraikitra mavitrika ao am-piangonana ihany;

mba tsy hahatsiaro tena ho irery! Ny faniriako eto dia ny hisaotra amin’ny foko

manontolo ireo vondrona momba ny pastoraly ho an’ny tanoa, ireo hery velona sy

ankohonam-piainana vaovao noho ny andram-piainana amin’ny maha-Fiangonana

azy, sady mahira-tsaina no mazoto. Tohizo ary aza matahotra!

Fandalinana

1. Inona avy no fitaovana manampy antsika bebe kokoa amin’ny asam-pitoriana?

2. Fintino amin’ny fomba fohy indrindra ary ny hafatr’i Papa tany Rio.

Page 6: Volontariat Salésien Missionnaire 2014.pdf · Jermenia ihany koa Andriamanitra: «Aza matahotra [...], satria miaraka aminao aho mba hiaro anao » (Jer 1,7.8), miaraka amintsika

Mai 2014

Vo. Sa. Mi. Volontariat Salésien Missionnaire MSJ – Provinces FMA et SdB - MADAGASCAR - Page 6

III. Ao amin’ny sekolin’i Don Bosco

Ny fanabeazana Salezianina sy ny fanabeazana netim-paharazana Ataontsika fampitahana amin’ny tableau ary ny fanabeazana malagasy nentin-

drazana sy ny fanabeazan’i don Bosco ka isika no handinika ny hitovizany sy ny maha samihafa na ny zavatra mety ilain’ny fanabeazana salezianina ao amin’ny fanabeazana nentin-drazana. Ahoana ary no azo hamaritana an’ireo andry telon’ny fanabeazan’i don Bosco teo amin’ny Malagasy? Ho raisintsika ary ny hodinihintsika manaraka indray ary assistance

NY ASSISTANCE

NY FANABEAZANA NENTIM-PAHARAZANA MALAGASY

EO AMIN’NY FIAINANA ANDAVANANDRO

FANABEAZAN’ I DON BOSCO

A-IREO KARAZANA MPANABE TEO AMIN’NY NTAOLO

MALAGASY

1-Ny Andriana :

Olona hita fa niavaka tamin’ny tamin’ny fahendrena sy

notsongoin’olom-bolo noho ny toetra soa nananany

ary mamy hoditra teo amin’ny tany ama-monina ka

natsangan’ny vahoaka hifehy sy ho mpitarika azy ireo.

2-Ny Ray aman-dreny :

Masi-mandidy amin’ny zanany ny Ray aman-dreny ary mpitsara mahazo manameloka sy mamela fahadisoana.

Solontenan’Andriamanitra ny Ray aman-dreny ka maneho ny fahendren’Andriamanitra teo amin’ny zanany.

Izay maniratsira Ray aman-dreny dia toa maniratsira Andriana na maniratsira an’Andriamanitra mihintsy aza ka mety ho voantsiny araka ny ohabolana hoe « Toy ny tsipak’ombalahy ny ana-dray aman-dreny ka mahavoa mahafaty fa tsy mahavoa mahafanina »

3-Ny zoky :

Noheverina ho solon-dray aman-dreny teo

Ny fisiana eo anivon’ny

tanora dia làlana iray

mampitombo ny fifan-

draisana. Tsy hoe miaraka

amin’ny tanora ara-batana

fotsiny fa fiarahana

miendrika fifam-pizarana sy

fanentanana. Izany

fiarahana miaraka eo aniv-

on’ny tanora izany dia tsy

miendrika fibaikoana na

fandidiana fa toy ny

namana, zoky, ka ny tanora

miaina ampatoniana sy an-

kalalahana tanteraka.

Vokatr’izany: tonga ny

tanora milaza ny tsiamba-

ratelony sy ny olana

mitranga eo aminy. Lasa

misokatra ho azy ny fony: eo

no miditra ny fanabeazana.

Page 7: Volontariat Salésien Missionnaire 2014.pdf · Jermenia ihany koa Andriamanitra: «Aza matahotra [...], satria miaraka aminao aho mba hiaro anao » (Jer 1,7.8), miaraka amintsika

Mai 2014

Vo. Sa. Mi. Volontariat Salésien Missionnaire MSJ – Provinces FMA et SdB - MADAGASCAR - Page 7

amin’ny zandry.

Miaraka mandrakariva ny hoe « zoky ray aman-dreny » sy ny hoe « zandry zanaka »

Noho izany ny Andriana dia solotenan’ Andriamanitra

teo amin’ny vahoaka, ny Ray aman-dreny solo-

tenan’Andriamanitra teo amin’ ny ankohonana, ny

zoky solotenan’Andriamanitra tao amin’ny zandry.

B-NY TOERAM-PANABEAZANA

o Nizara roa ny fanabeazana dia izay natao tao amin’ny ankohonana mivantana sy izay niarahana tamin’ny fiaraha-monina. o Ny fanabeazana tao an-tokatrano no natao hoe sekoly amorom-patana ary ny fiarahana tamin’ny be sy ny maro tamin’ny fandalinam-pahendrena kosa no natao hoe « sekoly amorom-pahatra » fa teo anelanelan’izy roa ireo no nisy ny « sekolin’ny tsiambaratelo ».

a-Teo amorom-patana :

Efitra tokana ihany ny trano Malagasy ary ny fatana no teo afovoany ka manodidina io fatana io no fivorian’ny mpianakavy rehefa hariva ny andro. Ny avara-patana dia natokana ho an’ny olona hajaina : ny Ray aman-dreny sy ny zoky fa ny antsimom-patana kosa no ho an’ny zaza madinika.

Teo amorom-patana teo no sekoly voalohany nianaran’ny ankizy ny fiainam-pahendrena ka ny reny na ny raibe no mpampianatra. Io no tena sekolin-dreny marina (classe maternelle).

Ny ankizy vao teraka ka hatramin’ny mbola fohazi-matory no nianatra teo ary fomba maro samihafa araka ny taonany no nanabeazana azy. Mizara telo ny mpianatra eto dia ny menavava, ny ankizy madinika ary ny vaton-jaza.

Ny ankizy madinika: Mihamitatra hatrany ny fampianarana ka ankoatry ny fanolokoloana ara-batana sy ara-tsaina nomena azy

>>> Ho an’ny mpanabe

rehetra dia i Jesoa no

modeliny satria ny mpanabe

dia tokony famantarana sy

mpitondra ny fitiavan’

Andriamanitra eo amin’ny

tanora. Izy no modely

amin’ny fomba

fifandraisantsika amin’ny

tanora.

Tonga kely miaraka amin’ ireo kely izy. Manompo fa tsy tompoina, Tia ka vonona manolotra ny ainy.

Ny fifandraisana

manokana.

Fifandraisana manokana: I Don Bosco dia nifandray tamin’ny tanora manokana tamin’ny firesahana mivantana tamin’izy ireo. Izy ohatra rahefa eny an-tokontany dia manipy teny kely, mibitsibitsika amin’ny sofina, manoro hevitra sahaza ny tsirairay.... ary vonona foana Izy mizara ny sakramentan’ny fibebahana. Izany fifandraisany manokana izany dia tsy nanimba velively ny fifandraisany tamin’ny besiminaro satria tsy nanary ny hafa izy fa

Page 8: Volontariat Salésien Missionnaire 2014.pdf · Jermenia ihany koa Andriamanitra: «Aza matahotra [...], satria miaraka aminao aho mba hiaro anao » (Jer 1,7.8), miaraka amintsika

Mai 2014

Vo. Sa. Mi. Volontariat Salésien Missionnaire MSJ – Provinces FMA et SdB - MADAGASCAR - Page 8

dia nampidirina tao aminy koa ny fahendrem-panahy. Nanomboka teo koa ny fanitaram-pahalalana :

Fanabeazana ara-batana tamin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena toy ny hazakazaka sy ny an-kanenjika ( kilalao),

Fanabeazana ara-tsaina tamin’ny alalan’ny tsianjery, ny ankamantatra, ny fandinihana ny zava-boahary (ny fampahafantarana ny zava-maniry azo atao fanafody, ny fampiasa rehefa maratra sns)

Fanabeazana ara-panahy tamin’ny alalan’ny angano sy ny ohabolana ary ny haiteny izay nifono anatra maro isan-karazany toy ny hoe: « ny ana-dray aman-dreny toa tsipak'ombalahy, mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina » - « ny hazo no vanon-ko lakana dia ny tany naniriany no tsara » - « fa izoky ve no manitra ravin-kazo sa izandry no manitra voninkazo? Tsy izoky no manitra voninkazo na izandry no manitra ravinkazo, fa ny fitiavana no mamerovero ka manitra andriana ny trano ».

Ny vaton-jaza:

Ny vato-jaza kosa dia efa nianatra zavatra maromaro : mahay manadio ny tenany, manampy ny ray aman-dreniny amin'ny raharaha ao an-tokatrano sy misolo azy fitaizana ny zandriny rehefa midina any an-tsaha ny olon-dehibe.

Matetika dia nisy fanadinana natao mikasika ny fampianarana azo teo amorom-patana. Mivory ao ankianja ny mpiray tanana. Zaraina ho toby roa ireo vaton-jaza ary asaina mifampiady hira, tsianjery, ohabolana, ankamantatra; haiteny ary tao koa ny dihy isan-karazany. Io no atao hoe fampitaha izany hoe fanehoana ampahibemaso ny izay fahaizana nianarana tany an-tokatrano tany. Tsy mba fanalan'andro no niheveran'ny Ntaolo an'io fa tena famporisihana ny ankizy hianatra tsara satria miankina amin'ny fahaizan'ny zanaka koa ny voninahitry ny Ray aman-dreny sy ny tokatrano na ny tanàna nitaiza azy. Indraindray mantsy dia nivoaka ny tanàna mihitsy ary notronin'ny ray aman-dreny rehefa hanao fampitaha ka nolazaina fa

nataony toy izany daholo ny rehetra. Modely ara-paha-

matorana eo amin’ny fitiavana ny mpanabe: Manoloana ny tsy fahamatoran’ny tanora ara-pitiavana dia ny mpanabe no modely voalohany maneho ny fahamatorana ara-pitiavana ary sahy mampianatra ny lalàna moraly toy ny fahadiovam-po, ny maha fahotana mahafaty ny fijangajangana, ny firaisana ara-nofo ivelan’ny mariazy… Maharitra amin’ny

faneho-ampitiavana: Manoloana ny tsy fivakian’ny tanora loha: ny mpanabe dia tsy maintsy maneho mandrakariva ny hamamiam-pitiavana ary miezaka ny hahatonga ny tanora ho tompon’ andraikitra amin’ny fampan-dehanany ny fiainany.

Page 9: Volontariat Salésien Missionnaire 2014.pdf · Jermenia ihany koa Andriamanitra: «Aza matahotra [...], satria miaraka aminao aho mba hiaro anao » (Jer 1,7.8), miaraka amintsika

Mai 2014

Vo. Sa. Mi. Volontariat Salésien Missionnaire MSJ – Provinces FMA et SdB - MADAGASCAR - Page 9

hanatin-kira amin'ny toerana hafa. Raha vao tonga ireo dia mivoaka hitsena azy ny avy ao amin'ilay tanàna hidirany. Teo no nahatonga ny fitenenana hoe "aiza no ny nanateran-kira indray no hilaza tsy mahay".

Tamin'izany fampitaha izany dia tsy hoe samy manao izay nomaniny sy izay hainy fotsiny ny ankizy fa zavatra nifamaliana no natao ka raha mamoaka lohahevitra iray ny andaniny dia tsy maintsy manome setriny koa ny ankilany, ka ny ohabolana valiana ohabolana, kabary valiana kabary. Koa samy niasa daholo tamin'izay na ny fitadidiana na ny fahakingan-tsaina hamorona setri-pitenenana avy hatrany.

b-Sekolin’ny tsiambaratelo

Ny sakan-jaza no nobeazina tato amin'ny sekolin'ny tsiambara telo ka ny zazalahy miaraka amin-drainy ary ny zazavavy miaraka amin-dreniny.

Ankoatry ny fianaran'asa isan-karazany mikasika ny fambolena sy ny fiompiana dia nanomboka ny fianarana mikasika ny fanambadiana ny tanora.

Tsy nahafa-po ny zaza ao anatin'io sokajin-taona io intsony ny teo amorom-patana ka izany no nilazana azy hoe « niala tan-tsakany » ; mbola tsy azoazony loatra koa ny resaky ny olon-dehibe tany amorom-pahatra. Tonga teo amin'ny sampan-dalana sarotra ifidianana izy ka tsy maintsy mila mpanorolalana hendry.

Io no tena fitaizana nahitana ny fahendren'ny taolo : nizara raharaha ny mpivady ka ny lehilahy nampianatra ny zatovolahy ary ny reniny nampianatra ny zatovovavy.

Teny an-dalana na teny am-panaovana taozavatra no namborahana tamin'ny zatovo ny tsiambaratelon'ny fitiavana sy ny fanambadiana.

Ny angano sy ny haiteny mbamin'ny ohabolana izay efa hainy ihany no iorenan'ny foto-pianarana.

Nampianarina azy ireo tamin'izany ny maha zava-dehibe ny fitiavana sy ny fifidianana ny olon-ko vadiana ary ny andraikitra aterak'izany

Page 10: Volontariat Salésien Missionnaire 2014.pdf · Jermenia ihany koa Andriamanitra: «Aza matahotra [...], satria miaraka aminao aho mba hiaro anao » (Jer 1,7.8), miaraka amintsika

Mai 2014

Vo. Sa. Mi. Volontariat Salésien Missionnaire MSJ – Provinces FMA et SdB - MADAGASCAR - Page 10

c-Teo amorom-pahatra

Ny fahatra dia ireo rindrim-bato izay nalahadahatra teo an-tsisin-tanàna mba hiaro ny havoana tsy ho lanin'ny riaka.

Fianaram-pahendrena lalina momba an'Andriamanitra sy ny olombelona ary ny zava-boahary no natao teo amorom-pahatra ary ny lehilahy lehibe rehetra no mpampianatra sy nifampianatra teo.

Mazàna moa dia ery antsisin-tanàna andrefana no amorom-pahatra firesahana. Namonjy taninandro hariva teo ny antitra dia tratrarin'ny tanora avy niasa.

Teo no nihavian'ny fitenenana hoe « volom-bavan'antitra ka hariva vao menafify ».

Ny andriana no filoha mpitarika ny fampianarana.

Fianarana tena lalina tokoa no natao teo. Ny tontolo samy nikaroham-pahendrena avokoa, hatramin'ireo mamiratra eny amin'ny lanitra mbony sy izay bozaka amam-bitsika ety amin'ny tany ambany. Ny fifandraisan'aina tao amin'ny firindran'ny zava-boahary no nakana fahendrena mba hampirindra ny fifankatiavana marina. « Ny tondro tokana, tsy mahazo hao, ny hazo tokana tsy mba ala » « olon-drery tsy mba vahoaka ».

Ny fifampikasohana matetika teo amorom-pahatra sy ny fiaraha-nikoram-pahendrena teo no nampitombo haatrany ny fifankatiavana sy nahalavorary ny firaisan-tsaina.

Teo amorom-pahatra no nandrafetana ny ohabolana sy namoaboasana azy. Teo no namelabelarana ny hevi-dalin'ny angano sy ny hakanton'ny kabary.

Page 11: Volontariat Salésien Missionnaire 2014.pdf · Jermenia ihany koa Andriamanitra: «Aza matahotra [...], satria miaraka aminao aho mba hiaro anao » (Jer 1,7.8), miaraka amintsika

Mai 2014

Vo. Sa. Mi. Volontariat Salésien Missionnaire MSJ – Provinces FMA et SdB - MADAGASCAR - Page 11

Fandinihana : (ny assitence)

1. Ireo soatoavina sy sori-dalana itovitovizan’ny Fanabeazana malagasy sy ny

fanabeazana salezianina ka tokony hohamafisina

2. Ny lafiny tokony ho halalinina eo amin'ny fanabeazana malagasy satria mety

hampivoatra ny fanabeazana salezianina

INONA NY MAHA ZAVA-DEHIBE NY ASSISTENCE ARAK’I DON BOSCO?

Page 12: Volontariat Salésien Missionnaire 2014.pdf · Jermenia ihany koa Andriamanitra: «Aza matahotra [...], satria miaraka aminao aho mba hiaro anao » (Jer 1,7.8), miaraka amintsika

Mai 2014

Vo. Sa. Mi. Volontariat Salésien Missionnaire MSJ – Provinces FMA et SdB - MADAGASCAR - Page 12