Rolly Mercia. Mbola velona foana ny taranak’i Jodasy e! · Rolly Mercia. Mbola velona foana ny...

7
Dossier Jeannot Ramambazafy, mpanao gazety sy Rolly Mercia, minisitry ny Serasera notendren'i Andry Rajoelina, Filohan'ny Tetezamita, nanatanteraka iraka tany Parisy « Iza moa izao no mba hilaza fa tsy mba niasa ity Rolly ity tamin’ny fampandaniana an’i Hery Rajaonarimampianina. Inona izao ny heloka mba nataoko an’izany Hery Rajaonarimampianina izany? Nefa dia resaka moa izany: io dia izao sy izao satria miaraka amin’i Andry Rajoelina. Izay izany ny heloka nataoko: niaraka tamin’i Andry Rajoelina . Izao fotsiny ihany ny heloka natao fa izao: na ny asa na tsy niasa ianareo nandritra ny telo taona naha-minisitra, na niasa be aza nanao ilay praopangandy, tsy ilaina eo fa mandehana mandeha any ». Mbola tsy lasa devoly aho aloha hatreto. Fa izany vola izany amiko dia fitaovana fotsiny ihany fa tsy tanjona 1 / 7

Transcript of Rolly Mercia. Mbola velona foana ny taranak’i Jodasy e! · Rolly Mercia. Mbola velona foana ny...

Page 1: Rolly Mercia. Mbola velona foana ny taranak’i Jodasy e! · Rolly Mercia. Mbola velona foana ny taranak’i Jodasy e! Dimanche, 06 Novembre 2016 10:28 - Mis à jour Lundi, 07 Novembre

Dossier

Jeannot Ramambazafy, mpanao gazety sy Rolly Mercia, minisitry ny Seraseranotendren'i Andry Rajoelina, Filohan'ny Tetezamita, nanatanteraka iraka tany Parisy

« Iza moa izao no mba hilaza fa tsy mba niasa ity Rolly ity tamin’ny fampandaniana an’i HeryRajaonarimampianina. Inona izao ny heloka mba nataoko an’izany Hery Rajaonarimampianinaizany? Nefa dia resaka moa izany: io dia izao sy izao satria miaraka amin’i Andry Rajoelina.Izay izany ny heloka nataoko: niaraka tamin’i Andry Rajoelina. Izao fotsiny ihany ny heloka natao fa izao: na ny asa na tsy niasa ianareo nandritra ny telotaona naha-minisitra, na niasa be aza nanao ilay praopangandy, tsyilaina eo fa mandehana mandeha any».

Mbola tsy lasa devoly aho aloha hatreto. Fa izany vola izany amiko dia fitaovana fotsinyihany fa tsy tanjona

1 / 7

Page 2: Rolly Mercia. Mbola velona foana ny taranak’i Jodasy e! · Rolly Mercia. Mbola velona foana ny taranak’i Jodasy e! Dimanche, 06 Novembre 2016 10:28 - Mis à jour Lundi, 07 Novembre

Dossier

« Ary tsy vitan’ny mandehana mandeha any fa fanaratsiana sy fanenjehana ohatran’nytena indray izany no devoly. Ka dia manontany amin’izay aho satria volana vitsy vitsy izay no nitsanganan’ilaygouvernemanta sy dimy volana taorian’ny nitondran’ilay Hery Rajaonarimampianina nyfirenena,izaizao no tena devoly? Mba manontany amin’izay aho. Izay no mahatonga hoe mba tonga amin’izay ny fotoanaisehoana tsindraindray iresahana satria manana adidy ny tena, firenena tsy avela fotsiny entin’antokon’olona any anaty hady ohatra izany na inonatoerana misy azy, na inona toerana misy azy,fa zon-tsika olom-pirenena tsotra ary zon’ny mpanao gazety ny manao « interpellation », manao« critiques » sy ny rehetra ka tsyhiambahamba isika manao izany ».

« Fa ho an’izay tsy nahalala, ao anatin’io fitondrana ao amin’ny «présidence» io mantsy misygasy voatonga ka dia ampahalalàna azy fa tsy vao izao no nanaovana izany. Raha vao misy nymibolila dia manitsy isika, ary manitsy amina fomba mivantana, tsy miambahamba, ary zavatramarina no resahina (…) ».

« Ilay « communication » ao anivon’ny « présidence » izany dia mikohoka mihitsy -voan’nytiberkilaozy- mila fitsaboana any Fenoarivo fa reraka be (io moa dia resaka tamin’nyfikarakarana ny 26 Jona 2014 izay tsy nisy fanentana ho an’ny vahoaka mihitsy, toa ity « Sommet de la Francophonie »ity)».

Ahoana ny mikasika ny fahanginan’ny filohan’ny tetezamita teo aloha amin’izao fotoanaizao?

2 / 7

Page 3: Rolly Mercia. Mbola velona foana ny taranak’i Jodasy e! · Rolly Mercia. Mbola velona foana ny taranak’i Jodasy e! Dimanche, 06 Novembre 2016 10:28 - Mis à jour Lundi, 07 Novembre

Dossier

Minisitra izy roalahy mifanatrika amiko, mpanao gazety mandra-maty. Ary minisitry nyTetezamita izay ezahina aratsian'ireo Hvm -izay tsy nisy tamin'izany- satria sao veryfihinana eo

« Izaho moa izany tondroina akaiky an’i Andry Rajoelina. Nisy fotoana vitsivitsy, tato ato, tsytafahoana, tsy tafaresaka taminy, fa na izany na tsy izany aza, mazava ny toe-draharaha: rahavao hiteny eo ange Andriamatoa Andry Rajoelina, hiteny kely ohatr’izao fitenenan-tsikaizao, dia ho tondroina indray fa dia hoe: mitady hanakorontana ny fitondram-panjakana. Kanefa izy ihany no nampanao safidy sy nampandany an’ity Rajaonarimampianina ity. Nohoizany mbola be dia be ny olona manodidina azy, tomponandraikitra isan-tokony izay afaka tsaramiresaka ny momban’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Fa tsy midika akoryrehefa mangina izy (Andry Rajoelina) dia hoe tsy ny raharahiny ilay zavatra. Fa nyzava-drehetra misy fotoanany ary ny zava-drehetra koa amin’andanan-tohotra ».

Ka iza izao no miampanga an'i Andry Rajoelina?

Ajanoko eo io resaka nataon’ingahy Rolly Mercia io, ny 24 Jona 2014 tao aminy radio Free Fmio fa tonga dia hitsambikina aty

amin’ny voalohan’ny volana Novambra 2016 ity isika. Ny alahady 30 Oktobra dia niverina etoan-tanindrazana i Andry Rajoelina, tsy nampilaza an’iza n’iza. Ny Talala 1 Novambra diafantatra fa nisy zavatra nipoaka tao amin’ilay hotely A&C ao Ivato, izay Claudine Razaimamonjyny tompony. Ny Alarobia 2 Novambradia io ambony io no hita eo amin’ny pejy voalohan’ilay gazety

3 / 7

Page 4: Rolly Mercia. Mbola velona foana ny taranak’i Jodasy e! · Rolly Mercia. Mbola velona foana ny taranak’i Jodasy e! Dimanche, 06 Novembre 2016 10:28 - Mis à jour Lundi, 07 Novembre

Dossier

«La Ligne de Mire»izay tantanan’i Rolly Mercia izay lasa niaraka indray tamin’ilay filoha nolazainy fa devoly. Volaamina miliara no natontona namoahana io gazety io ka mila «vokatra»aingana na dia tsy mandeha amin'ny laoniny aza ny resaka ary na dia mampandainga nytenany ihany aza ny mpanoratra. Fa iza aloha ny miteny fa azoazon'i VoahangyRajaonarimampianina io Rolly Mercia io? Ny tenany ihany angaha?...

4 / 7

Page 5: Rolly Mercia. Mbola velona foana ny taranak’i Jodasy e! · Rolly Mercia. Mbola velona foana ny taranak’i Jodasy e! Dimanche, 06 Novembre 2016 10:28 - Mis à jour Lundi, 07 Novembre

Dossier

5 / 7

Page 6: Rolly Mercia. Mbola velona foana ny taranak’i Jodasy e! · Rolly Mercia. Mbola velona foana ny taranak’i Jodasy e! Dimanche, 06 Novembre 2016 10:28 - Mis à jour Lundi, 07 Novembre

Dossier

Fanambaniana olona tsotra izao ireo lahatsoratra ireo: terena hifandray fotsiny izao nyfiverenan'i Andry Rajoelina sy ny zava-nitranga tao amin'ny A&C ao Ivato. Ary dia io fa iRolly Mercia mihitsy ny manao sonia ireo lahatsoratra ireo na dia mora fantatra aza nyteny frantsay fampiasany izay «vocabulaire folklorique» be loatra Tsotra dia tsotra ny tiana ambara eto: lalan-kitakisoa ny fomba fanaovan’ity Rolly Mercia itygazety. Ny vola sy izay manana azy be indrindra no tompoiny. Tamin’ilay resany tao aminyradio Free Fm dia hoe raha vao hiteny eo ange Andriamatoa Andry Rajoelina dia holazaina fa mitady hanakorontana ny fitondram-panjakana. Io ambonyio indray dia: Niverina i Andry Rajoelina hanakorontana ny «Sommet de la Francophonie».

1 Novambra 2016. Ny ambasadaora frantsay, Veronique Vouland-Aneini sy ny filohan'nytetezamita teo aloha tao Ambatobe . Asa ny fanjakana frantsay koa izany no aoambadik'izany "fanakorontanana ny Sommet de laFrancophonie" izany? Fantatr'i Rollyihany kay ny fetran'ny lainga sy ny fiantraikany? Asa iza no tena kanosa amin'izany... Tsy fantany tokoa fa io 1 Novambra io dia nihaona tamin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha nyambasadaora frantsay, Veronique Vouland-Aneini, tao Ambatobe. Ary ny gazety MidiMadagasikara ny namoaka fa nanambara mazava i Andry Rajoelina fa tsy hiditra «cafouillage».Asa aloha raha tsy nahazo vola io Rolly Mercia io fa dia iny tazana nihaodihaody tenyAmbodivona misy ny orinasa Injet. Ary ny 3 Novambra dia namoaka indray ity manaraka ity izy.

Tsy mahagaga fa ny ataon-dry zalahy dia heveriny mihitsy fa ataon'ny sasany. Fa izyRolly Mercia aloha izao no migoka ny anjarany («sa part») ao amin'io fitondrana Hvm ioka sady adino ny teo aloha no tsy miraharaha ny ho avy. Vola adala tompo koa moa ve...Tsy misy fofona. Fa ny analiziny no maimbo tay Mila ny anjarako ny dikan’io sary teny io («Je veux Mapar, je veux ma part»). Ka hafatra tsotrano omeko ity fitondrana Hvm/Rajaonarimampianina ity: aza dia mahatoky loatra an’i RollyMercia io ianareo, aza mizara tsiambaratelo aminy mihitsy fa rehefa tsy eo amin’io fitondrana ioianareo -ary tsy maintsy hitranga izany na tianareo na tsy tianareo satria toerana fandalovanaio- dia izy ihany no hamoaka izany tsiambaratelo izany.

Mety izao ka. Sa ahoana r'ingahy Andrianjato Vonison? Samia hijinja izay nafafiny atsyho atsy e... Ny azy dia tsotra: tsy mila porofo izany izy ary mino isika fa tsy hiatrà aminy mihitsy ilay «Codede la Communication»Andrianjato satria mhevitra izy fa ao anaty fitondrana raha tsy hoe izy mihitsy no fitondrana.

Tsy mpamoron-dainga aho mikasika io «bientôt» io fa mino isika fa hitombo indray nyisan'ny sehatry ny filazana «vaovao»hamarina an-kady ity firenena tsy sasatra miarina ity Ka matezà ny aina ry zareo fa mbola hisy «fahagagana» hafa ho avy.

Olona akaikinao foana no atao hoe mpamadika fa tsy hafa velively, ary resa-bola foanany antony mazàna Fa ny fiafaran’ny tantara? Vakio ny mikasika an’i Jodasy ao amin’ny Baiboly. Tsy hivoanamihitsy koa io. Mandrapahatonga izany anefa dia hahita zavatra ho soratana foana i RollyMercia. Raha tsy izany tsy hahazo vola, toa ny mersenera rehetra maneran-tany manana «mission »maloto. Ny maha samihafa an’i Rolly Mercia dia tsy ilay tompom-bola ankehitriny loatra nomibaiko azy fa nihevitra mihitsy izy fa no izy lasa minisitra dia mitovy filaharana aminampanefoefo ka tsy tokony nobaikon-dry Mamy Ravatomanga sy Andry Rajoelina intsony famitovy ry zalahy. Tsy sakaizan’ny mpandresy velively i Rolly Mercia fa andevozin’ny vola sy ny fahefanaentin’izany vola izany: sipa, toaka, fivoahana amin'ny alina... Na dia somary najanony alohaireo, mitohy eny ihany... Mpamosavy mandeha alina misy mahita foana. Diniho tsara ireo olonatena tsy mahamenatra azy intsony ny miresaka azy isaky ny mihetsika izao, toa maynodoran'ny afo natsangany ihany: dia ireo «namana» teo aloha rehetra. Ny Senatora Lylison syAugustin Andriamananoro moa efa nahazo ny «anjarany»farany teo. Ho avy izao ny an'i Hajo ary efa io ambony eo amin'ny sary mampiseho fitombenanaio. Mamerina indray eto aho: taiza moa i Jodasy no nipetraka ary inona ny antony namadianyan’i Jesosy Kristy?

6 / 7

Page 7: Rolly Mercia. Mbola velona foana ny taranak’i Jodasy e! · Rolly Mercia. Mbola velona foana ny taranak’i Jodasy e! Dimanche, 06 Novembre 2016 10:28 - Mis à jour Lundi, 07 Novembre

Dossier

Mitovy laharana ve izany izy sy Andry Rajoelina ka tsy hanaiky ho gisitra? Izay angahano ilazana ny fihetsik'i Rolly Mercia mamono tanteraka ity asa fanaovan-gazety masinaity Ka raha misy tsiny omena an’i Andry Rajoelina dia ny nanendreny an’ity Rolly Mercia ity hominisitra. I Rolly izay teo akaikiny efa tamin’izy nirotsaka ho kandida ben’nytananàn’Antananarivo ary nandresy. Na izany aza, iza no nahalala? Tsy misy tandroka tokoaanie ny devoly nodradradradrain’i Rolly Mercia izay lasa sakaizany e! Fa mandra-pialan’i HeryRajaonarimampianina -ilay « devoly » tompoiny amin’izao fotana izao- eo amin’ny fitondranaaloha dia hahita lazaina foana ingahy Rolly Mercia. Ny mamorona aza ataony. Soa fa ny soratramitoera… ka hitsara ny nandainga, ny mpandainga ary ny handainga mandrapaha tapitra nyfofon’ny ainy.

Jeannot Ramambazafy mpisotro toaka gaigilahy? Ie fa jereo io vidéo ambony io efa 11 taonalasa izay … Ary manontania olonaamin'izao fotoana izao. Kaonty amina banky, tsy manana aho; fiara tsy manana ary mila aho;trano efa tamin’ny andron’i Didier Ratsirala no nitsangana. Inona no «hamelezana»ahy: handefasana «commando»? Sssss. Ny olona gaigy no matahotra an-drafahafatesana: ho avy toa ny mpangalatara izy tsyhampilaza mialoha. Mijanona eo amin’ny fahazavana foana aho, ary ao anaty ny fahazavana nohialako eto amin’ity tany fandalovana ity, tsy hitondra alahelo sy hametraka lova ratsy ho an’nytaranako. Farany: ao izao ny hilaza fa nomen'i Andry Rajoelina vola aho, no antony nanoratako itylahatsoratra ity. Aza ny ataonareo no ahilika aty amiko. Na i Rolly Mercia aza miaika fa izanyJeannot Ramambazafy izany tsy azo vidiam-bola na oviana na oviana. Efa nanandrana mihitsyanie izy e! ( ATO ). Ary tsy hoe tsy fitiavako manokana an’i Rolly Mercia no nanoratako an’itylahatsoratra -mitovy taona izahay ary mampalahelo ahy izy fa zavatra notadiaviny daholo ioataony io: iza no mba nitsetra azy fony izy toa taolan-katsaka miandry ny vola kely tao aminyMadagascar Tribune? Izaho fa adinony tanteraka izany- ity fa lesona ho an’ireo mpanao gazetyvao misondrotra: fadio io fomba ratsy ataon'i Rolly Mercia io manimbazimba ny asan-tsika, fatsy mitondra mankaiza velively sy na oviana na oviana. Rehefa tsy mahomby ianareo na koatsy nanatontosa ny «mission» dia ho voadaka toa kiraro tsy ampiasainaintsony. Tadidio mandrakariva izany. Dia mahaiza daholo mionona. Fa raha i Rolly Mercia diatsy hiova intsony. Tara loatra, ny taona mandroso. Mampalehelo ny taranany ary tsy ny azyirery ihany. Jeannot Ramambazafy – 6 Novambra 2016

7 / 7