Loka Anzisha 2016. Lasan’i Randriarimanana Tahina ... · PDF fileLasan’i...

4
Loka Anzisha 2016. Lasan’i Randriarimanana Tahina Heritiana ny 25.000 Dôlara amerikana ! Mercredi, 26 Octobre 2016 14:33 - Mis à jour Mercredi, 26 Octobre 2016 22:00 Soa fa misy itony karazana loka itony maneran-tany satria, raha ny eto Madagasikara no andrasana dia ho antitra eny ihany ny tanora… Tsy nisy ary tsy mbola misy mihitsy ny politika maty paika hamporisihina ny tanora malagasy hisongadina avy amin'ny mpitondra fanjakana. Ny diplaoma CEPE aza tadiavina ho foanana amin’izao fotoana izao… Tsy manome hasina ireo any ambanivohitra mihitsy e! Io no mba any diplaomany satria mino isika fa tsy afaka manohy fianarana lavitra ny zanaka tantsaha. Fa singanina manokana kosa aloha ny « Trophée des Jeunes Entrepreneurs » karakarain’ny banky BNI. Ny talenta dia tsy manam-petra fa ny kisendrasendra tsy mahatonga lavitra 1 / 4

Transcript of Loka Anzisha 2016. Lasan’i Randriarimanana Tahina ... · PDF fileLasan’i...

Page 1: Loka Anzisha 2016. Lasan’i Randriarimanana Tahina ... · PDF fileLasan’i Randriarimanana Tahina Heritiana ny 25.000 Dôlara amerikana ! Mercredi, 26 Octobre 2016 14:33 - Mis à

Loka Anzisha 2016. Lasan’i Randriarimanana Tahina Heritiana ny 25.000 Dôlara amerikana !Mercredi, 26 Octobre 2016 14:33 - Mis à jour Mercredi, 26 Octobre 2016 22:00

Soa fa misy itony karazana loka itony maneran-tany satria, raha ny eto Madagasikara noandrasana dia ho antitra eny ihany ny tanora… Tsy nisy ary tsy mbola misy mihitsy ny politikamaty paika hamporisihina ny tanora malagasy hisongadina avy amin'ny mpitondra fanjakana.Ny diplaoma CEPE aza tadiavina ho foanana amin’izao fotoana izao… Tsy manome hasina ireoany ambanivohitra mihitsy e! Io no mba any diplaomany satria mino isika fa tsy afaka manohyfianarana lavitra ny zanaka tantsaha. Fa singanina manokana kosa aloha ny « Trophée desJeunes Entrepreneurs »karakarain’ny banky BNI.

Ny talenta dia tsy manam-petra fa ny kisendrasendra tsy mahatonga lavitra

1 / 4

Page 2: Loka Anzisha 2016. Lasan’i Randriarimanana Tahina ... · PDF fileLasan’i Randriarimanana Tahina Heritiana ny 25.000 Dôlara amerikana ! Mercredi, 26 Octobre 2016 14:33 - Mis à

Loka Anzisha 2016. Lasan’i Randriarimanana Tahina Heritiana ny 25.000 Dôlara amerikana !Mercredi, 26 Octobre 2016 14:33 - Mis à jour Mercredi, 26 Octobre 2016 22:00

Ny Loka Anzisha, izay noforonina tamin’ny volana Aogositra 2011, dia natokana ho an’ireotanora eo anelanelan’ny 15-22 taona manerana ny kaontinanta afrikana. Ka tanora mamiratraeo amin’ny fahaiza-mamorona fitaovana na koa fotodrafir’asa ilain’ny mpiara-belona (« innovation ») sy manana saina handroso sy hampandroso hatrany (« Esprit d’entreprise»).

Ireo fikambanana manohana ny Loka Anzisha

Ny « Académie africaine de l’entreprenariat » (African Leadership Academy- ALA) aoJohannesburg, Afrika Atsimo ny vy nanana ity loka omena isan-taona ity. Ary tamin’ity taona2016 ity, dia nanome voninahitra an’ny Malagasy tsy an-kanavaka i Randriarimanana TahinaHeritiana Fabien avy ao amin’ny orinasa Fiombonana. Satria tokoa mantsy, taminin’ireo tanoramiisa 12 niatrika ny famaranana dia izy no nahazo ny loka 25,000 Dôlara amerikana.

Fa iza moa i Randriarimanana Tahina Heritiana Fabien ?

2 / 4

Page 3: Loka Anzisha 2016. Lasan’i Randriarimanana Tahina ... · PDF fileLasan’i Randriarimanana Tahina Heritiana ny 25.000 Dôlara amerikana ! Mercredi, 26 Octobre 2016 14:33 - Mis à

Loka Anzisha 2016. Lasan’i Randriarimanana Tahina Heritiana ny 25.000 Dôlara amerikana !Mercredi, 26 Octobre 2016 14:33 - Mis à jour Mercredi, 26 Octobre 2016 22:00

Efa ela aho no nahalala fa izany zanaka minisitra izany tsy ho minisitra velively ary nyzanak’ireo mpitondra dia tsy ho re intsony rehefa tsy eo amin’ny fitondrana intsony ny havany…Satria mandray ny vonona eny fotsiny, tsy mahay mitsinjo ny ampitso mihitsy. IRandriarimanana Tahina Heritiana Fabien dia avy ao Faratsiho ao. Vao teraka izy, ny taona1994, dia maty ny reniny. Ary tsy fantany mihitsy iza ny rainy.

Ny renibeny no nitaiza azy. Rehefa 16 taona izy dia tapakevitra fa hitsahatra amin’nyfandehanana any an-tsekoly ary iny izy lasa nivarotra « caca-pigeons » sy nanao asaan-tselika mba ivelomany. Asa tokoa aloha raha nahay nitahiry vola izy fa 6 taona taty aorianadia natsangany ny orinasa atao hoe Fiombonana. Izany hoe lasa « patron »’-ny tenany izy. Amin’izao taona 2016 izao dia manana mpiasa 12 ny orinasany izay misahanaity atao hoe « agrobusiness ». Izany hoe mamokatra sy mivarotra vokatry ny tany sy biby fiompy aodina ka lasazava-pihinana toa yaourt, tantely, fromage, sns.

Ireo tanora miisa 12 nizara ny vola 100,000 Dôlara. Hafa ihany ny fitsikin'ny tanoramalagasy e! Eo ambany eo afovoany i Tahina Tapakevitra i Tahina (aleho izay no iantsoan-tsika azy satria nanambina io fanampanarana io)fa isedra tena ka dia niditra ho mpifaninana tamin’ny ity Loka Anzisha 2016 ity. Tafakatrafamaranana tokoa ary izy ary dia nibata ny fandresena ny alin’ny 25 Oktobra 2016 taoJohannesburg .Mitotaly 100,000 Dôlara ny vola nozarain’ireo niatrika ny famaranana fa 25,000 Dôlara ho azysamy irery.

3 / 4

Page 4: Loka Anzisha 2016. Lasan’i Randriarimanana Tahina ... · PDF fileLasan’i Randriarimanana Tahina Heritiana ny 25.000 Dôlara amerikana ! Mercredi, 26 Octobre 2016 14:33 - Mis à

Loka Anzisha 2016. Lasan’i Randriarimanana Tahina Heritiana ny 25.000 Dôlara amerikana !Mercredi, 26 Octobre 2016 14:33 - Mis à jour Mercredi, 26 Octobre 2016 22:00

Voninahitra ho an’ny tanora Malagasy rehetra izany ary voninahitra ho an’ny firenena malagasyihany koa. Mino marina isika fa ny finiavan’i Tahina handroso hatrany no tena naharesy lahatraireo mpitsara manana ny maha izy azy, dia:

Ambony: Kolawole Olajide, Co-founder of Funda and 2013 Anzisha Fellow; MichelleAtagana , Head ofCommunications and Public Affairs at Google South Africa Afovoany: Gossy Ukanwoke, Higher Education Investor & Founder at Beni AmericanUniversity R&D Wendy Luhabe, Member of the Board at TheAbraaj Group Ambany: Willy Mukiny Yav, Co-founder and Director of Pygma Group.

Arahabaina ianao ry Tahina! Voaporofonao fa azo resena tokoa ny fahantrana ary tsy hoemila diplaoma avo lenta na fiara lafo vidy mihinan-dasantsy vao azo lazaina hoe tafita. Fitaratraho an’ny tanora izao ary mbola manaporofo fa ny asa any ambanivohitra no tena mampandrososy hampandroso ny frenena. Saingy indrisy… Jeannot Ramambazafy – 26 Oktobra 2016 Isaorana manokana etoana ny namana mpanao gazety Clarel Faniry Rasoanaivo

4 / 4