Gender Linksgenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKAOMININA...
Transcript of Gender Linksgenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKAOMININA...
FIHAONAM-BE AN-TAMPONY MOMBA NY MIRALENTA SY NY FAMPANDROSOANA 2014
FAHAIZA-MITARIKA
“Manova ny fari-piainan’ny Vehivavy ny fampiasana ny miralenta.”
KAOMININA ANDOHARANOMAITSODISTRIKA ISANDRA
FARITRA MATSIATRA AMBONY
FVM (FIKAMBANAN’NY VEHIVAVY MIVOATRA)
1
FIHAONAMBE AN-TAMPONY MOMBA NY MIRALENTA SY NY FAMPANDROSOANA 2014
FAHAIZA-MITARIKA (Leadership)
Manolo-tenaNatolotra
LOHATENY: “Manova ny fari-piainan’ny Vehivavy ny fampiasana ny
miralenta.”1. FAMPAHAFANTARANA ANKAPOBENYDaty : 13 Marsa 2014
Anarana RAZAFINDRAVOLAFanampiny SuzanneAsa atao MpampianatraToeram-piasana/Fikambanana
Andoharanomaitso / FVM (Fikambanan’ny Vehivavy Mivoatsa)
Fianarana vita Ambaratonga voalohany
Ambaratonga faharoa
Oniversite
Fanofanana ara-kasa
Fampianarana olon-dehibe
Taona 18 - 30 31- 40 41 - 50 51 – 60 60 + Adiresy mailakaTéléphone fixeFaxFinday 032 41 203 57Kaominina AndoharanomaitsoFirenena MalagasyTranokalan’ny FikambananaLahy/vavy Vavy LahySary
2
FANAMPIM-PANAZAVANAToeram-piasana/Fikambanana
Andoharanomaitso/FVM (Fikambanan’ny Vehivavy Mivoatsa)
Sehatra hiasana KaomininaOlona afaka antsoina Anarana Asa atao N° Finday
1-RAZANADRAKOTO Noëline
Mpanolotsaina ny Kaominina Andoharanomaitso
034 03 287 94
2- HANITRINIAINA Ernestine
Mpianatra eny amin’ny Oniversite
033 09 751 09
Taona naha-pitarika 14 taonaNahazo fiofanana manokana momba ny fahaiza-mitarika ve ilay olona?
EnyTsia
Inona avy izany fiofanana izany?
Fahaiza-mitarika (Leadership) “Association HAONASOA”
Isa azo tamin’ny famenoana ny fafana eo ambany
16,8/20
Vavolombelon’ny Fijoroan’ny
3
2. POROFON’NY ASA VITATOETRA TSARA ALAIN-TAHAKA ISA (0 na
1)POROFO
1 Manana tanjona mazava tsara 1 Nampivoatra ny vehivavy
2 Mahay mihaino 1Mahare ny hafatra, mamaly ny filàn’ny mpikambana
3Mahay manintona/misarika ny sain’ny olona
1 Misy mpikambana
4 Manaja ny hafa 1 Tsy mitompo teny fatratra5 Mahay manetry tena 1 Tsy mitady karama
6Mahay mandanjalanja ny rariny sy ny hitsiny
1Tsy manavakavaka ny mpikambana
7Manaja sy mampihatra ny Zon’olombelona
1Manome lanja ny hevitry ny tsirairay rehefa misy fivoriana
8.Manampy ny vehivavy hahaleo tena ara-ekonomika
1 Mitady lalam-barotra
9. Manome ohatra tsara halain-tahaka 1Fanaovana akany tany ambanivohitra
10. Mahay mitazona tsiambaratelo 1Tsy re amin’olon-kafa ny zavatra noresahina
11. Mahay mifandray aman’olona 1 Tsy mbola miady tamin’olona
12. Manana hevitra miavaka 1Fisiana sekoly teknikan-jazavavy tany ambanivohitra
13. Mandray andraikitra amin’ny maha-olom-pirenena 1
Mpitam-bola an’ny Fikambanana VFTM (Vondron’ny Fampandrosoana ny Tantsaha Mahatsiatra Ambony)KMF (Komity Mpivoy ny Faritra) Fiaraha-miasa miaraka amin’ny FRDAFiaaha-miasa miaraka amin’ny PROSPERERPrésidente-n’ny PCAF (Plateforme ny Vannerie)
14. Mitandro ny fahamarinana 1 Tsy mbola nisazy
15. Mitandro ny fangaraharana 1Mbola tsy naka ny volan’ny Fikambanana
16. Olona azo hitokisana 1 Anakinana andraikitra maro17. Vonona lalandava 1 Tsy mpiasam-panjakàna
18. Manan-tsaina tia karokaroka sy tia fiovana 1
Nahazo famatsiana tamin’ny mpiara-miombon’antoka, oh: PSDR, Saha Betsileo, FRDA, AROPA, PROSPERER
19. Manana laminasa maty paika azo 1 Mahavita ny andraikitra
4
tanterahina napetraka
20. Mahay mandray andraikitra 1Miroborobo, mandroso ny zavatra niandreketana
Ny FVM mamaly ny Komandin’ny TS’ART FIBRE (Sac seau)
5
3. FANOLORANA NY ASA VITA
Zava-dehibe nisongadina
Nahatonga ahy hitarika ny vehivavy tao Andoharanomaitso hikambana dia noho ny fiheveran’ny maro ny vehivavy ho fanaka malemy. Fantatro fa misy lafiny hahafahany mioitra dia izay no nampivondronako azy ireo. Nentanina ny vehivavy dia nitadiavana mpiara-miombon’antoka (PSDR – SAHA BETSILEO – FRDA – PROSPERER), dia niofana. Afaka nampidi-bola toy ny lehilahy ny vehivavy taty aoriana. Tsapa ary fa ny vehivavy mpandrary dia mampidi-bola bebe kokoa noho ny lehilahy ao an-tokatrano.
Tantara tena nanamarika anao tamin’ny fanatanterahanao ny asa
Rehefa nanatanteraka an’ity fikasana ity aho dia nanao filazana tamin’ny Radion’ny Tantsaha (Radio Mampita). Hivory antsika apela (Slogan: “Aia antsika Apela”). Teo no nanentanana sy nanazavazavana fa tsy tokony hipetrapetra-poana isika Apela, fa ny fiainana efa miha sarotra. Natao izay teo an-toerana Andoharanomaitso sy tamin’ny alalan’ny Radio. Tsy nisy karama izay rehetra rehetra izany. Nitondra fiovana ny asa nataoko satria raha rary tsotra na hoe rary nenti-paharazana: tsihy, kiharona, ... dia nanao zavatra hafa toy ny poketram-behivavy, fitoeran-dovia (sous plat), fasiana tavoahangy (porte bouteille).
Fampahafantarana ilay mpitarika (leader)
Nanomboka ny taona 2000 tao Andoharanomaitso. Ny nahafantarana ny miralenta dia noho ny fianarana azo, ny famakiana gazety, ny fandrenesana ny fanentanana tamin’ny alalan’ny radio samihafa, ny fetin’ny 08 marsa izay itantarana indrindra ny fanazavana momba ny miralenta.
Tanjona
Ny tanjona napetraka dia ny mba hampitovizana ny lahy sy ny vavy, hampandraisana anjara ny vehivavy amin’ny adidy eo amin’ny fianakaviana, fiaraha-monina. Fifanampiana eo amin’ny fiainana, “tsy misy mahavita tena”.
6
Asa/Hetsika vita
Fototr’asako ny mampianatra ny zaza madinika (préscolaire Akany Fanantenana Andoharanomaitso) (2002 – 2014)
Manampy an’io koa ny maha filoha ny Fikambanan’ny Vehivavy Mivoatsa (FVM) ahy, izay tena andaniako fotoana be dia be (2000 – 2014)
Filohan’ny PCAF (Plateforme de Concertation Appui Filière vannerie) eto Mahatsiatra Ambony (2012 – 2014)
Mpitam-bola ny vovonana iray eto Mahatsiatra Ambony (VFTM: Vondrona Fampandrosoana ny Tantsaha Mahatsiatra Ambony) (2006 – 2014)
Komity mpivoy ny Faritra eto Mahatsiatra Ambony KMF (2009 – 2014)Ny lafy ratsiny dia ny tsy fisian’ny karama voafaritra, tsy misy fisotroan-
dronono fa solon’andro no misy indraindray.
Famonjena foaran’ny Radio Mampita teto Fianarantsoa, 2010
Hita taratra eo ny lafin’ny miralenta
Ireo mpianatra voalohany taona 2002
7
Porofo amin’ny fandraisana andraikitra eo amin’ny mpiara
miombon’antoka FRDA
8
Teti-bola
Teti-bola (Ar)Teti-bola mahaleo-tena momba ny Miralenta 400 000 Ar
Anaovana fanentanana fivorian’ny birao
Teti-bola manokana momba ny tetikasa ao anatinà fandaharanasa efa misy
1 200 000 ArFiofanana, fitsidihana fifanakalozana, fividianana akora
Lelavola na fanampiana hafa avy amin’ireo mpiara-miombon’ antoka (Hazavao fohifohy) 500 000 Ar
Fiatrehana foara isan-tsokajiny (8 marsa, fetin’ny reny, JMFR na Journée MOndiale Femme Rurale)
TOTALY 2 100 000 Ar
Ireo fanamby
Ireo olana nosedraina tamin’ny fanatanterahana ny asa: Tsy fananana trano ho an’ny fikambanana (hivoriana, hiofanana) Famitana ny taratasy ho ara-panjakàna (récépissé) Fiaraha-miasa miaraka amin’ny Kaominina Tsy mahaloa sara-pianarana ny ray aman-dreny sasany Tsy arifomba ny fitaovana ho an’ny Akany (boky, kilalao, …) Tsy fahampian’ny ho enti-manana (vola)
Vokatra azoFiovana teo amin’ilay mpitarika
Ny fanatanterahana ny asa dia nanova ny fiainako satria nifandray tamin’ny amin’ny olona maro, amin’ny olona samihafa isan-tsokajiny, mahazo fanasana, misolo tena ny fikambanana
Nampitombo ny fahalalana azoko satria nahazo fiofanana maro.Nampivoatra ahy ho olona fantatry ny maro ankehitriny.
Ny nanampy tamin’ny fanatanterahana ny asa dia ny: Haino aman-jery Ny mpiara miombon’antoka Fanasana avy amin’ny tompon’andraikitra maro
9
PorofoFijoroana vavolombelona iray avy aminà olona nahita ny fiovan’ny
fiainana.
Fiovana teo amin’ny fianakaviana akaiky
10
Hafaliana ho an’ny fianakaviana ny fanaovako ny asako satria anisan’ny azo heverina fa toy ny olo-malaza manana andraikitra, voatonona ao amin’ny haino aman-jery, mahazo fanasana matetika avy amin’ny Kaominina, Faritra, ...
Omen’ny mpiara-monina lanja isaky ny misy zavatra atao.
Fanasana azo hiatrika ny andro iraisam-pirenena ho amin’ny fanjarian-
tsakafo (JMA)
11
Porofo
Fijoroana vavolombelona avy amin’ireo olona akaiky manamarina izay voalaza
12
Fiovana teo amin’ny rafitra
Tena nitondra fiovana teo amin’ny Fikambanana ny asako satria nampiova ny mpikambana teo amin’ny lafiny teknika ( rary nenti-paharazana nivadika ho rary manara-penitra).
Nampiova koa teo amin’ny ara-moraly (natahotra fisamboram-bola taloha, ankehitriny efa sahy misambo-bola amin’ny TIAVO
Porofo
Fijoroana vavolombelona avy amin’ireo mpiara-miasa manamarina izay voalaza
Fiovana teo amin’ny fiaraha-monina
13
Nampisy fiovana teo amin’ny fiaraha-monina ny asa nataoko, niditra ho mpikambana ny vehivavy tao amin’ny Kaominina Andoharanomaitso. Fikambanana tokana no nisy tamin’ny taona 2000, ankehitriny anefa dia efa misy efatra (FVM, MIRA Laobato, MANIRIHOSOA Betapoaka, LIAM-PANDROSOANA Mahavanona.
Porofo
Fijoroana vavolombelona avy amin’ireo olona nahazo tombontsoa
RAZANAMALY Hélène, monina ao Andovoka Andoharanomaitso dia nisambo-bola hamaliana komandy TS’ART FIBRE ao Antananarivo, Gazety Fanohitra, n° 17, Jolay Aogositra 2013
Fiovana ara-tsôsialy
Teo amin’ny fomba amam-panao no tena nahitana fiovana: nampivoatra ny saina, namidi-bola, nampitombo ny fahaizanaOhatra:
TALOHA ANKEHITRINY
Karazan’entanakiharona, taty, tsihy milambana, tsihy fatoriana
Poketra rary, fitoeram-bilia (sous plat), natte de plage, sac picnic
Porofo
Ireo vokatra vokarin’ny FVM
14
Fijoroana vavolombelona, taratasy fanamarinana
Fanamafisana fahaiza-manao
Inona avy ireo fampiofanana na fanamafisana fahaiza-manao nataonao? Fahaiza-mitarika (leadership) HAONASOA Fifandraisana (Communication) Association IDEALY Fifandraisan’ny olona samy olona (Communication inter personnelle)
CEPA Business plan CCI Marketing PROSPERER Technique de négociation PROSPERER
Ny fahatsapana ny fanembatsembanan’ny ankizy zanakin’ny mpandrary no nananganana ny Akany Fanantenana ao Andoharanomaitso
15
Porofo
Fijoroana vavolombelona avy amin’ireo olona nahazo fiovana
Ny FVM miofana amin’ny fanaovana ny sac seau Komandin’ny TS’ART
16
Lesona notsoahina tamin’ny fanatanterahana ny asa sy fifampizarana traikefa
Ireo olana nitranga: Tsy fananana trano ho an’ny fikambanana (hivoriana, hiofanana) Famitana ny taratasy ho ara-panjakàna (récépissé) Fiaraha-miasa miaraka amin’ny Kaominina Tsy mahaloa sara-pianarana ny ray aman-dreny sasany Tsy arifomba ny fitaovana ho an’ny Akany (boky, kilalao, …) Tsy fahampian’ny ho enti-manana (vola)
Ny fomba namahana azy:
TALOHA ANKEHITRINYNy fitsotokotokoana FamondronanaTsy fananana trano Fandrafetana tetik’asa tamin’ny PSDRTsy fandoavana saram-pianarana
Fampahatsiahivana, famoriana ny Ray aman-dreny
Tsy fahampian’ny fitaovana Fangataham-piara-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka
Ny lesona azo notsoahina avy amin’izany dia ny teny soratra masina manao hoe“Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao”“ Loza ho an’izay mahalala nefa tsy mampahafantatra”
Dingana manaraka
Ny tanjona manaraka dia ny:Hampiroboroboana bebe kokoa ny asan’ny vehivavyHanentana ny vehivavy ho sahy hindram-bola fa tsy hatahotra intsonyHanentana ny vehivavy hafa ivelan’ny Kaominina Andoharanomaitso
Ho famaranana ny teny dia izao:Aoka isika vehivavy tsy hiamboho adidy rehefa misy andraikitra na soso-kevitry ny hafa apetrany amintsika.
17
4. NY FENITRY NY SADC MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA, LAMINASA AORIAN’NY TAONA 2015
Ny tena hiasana Amin’ireo tanjona 28 voarakitra ao anatin’ny Fenitry ny SADC
Tanjona: Fanajana ny zon’ny olombelona , indrindra ny vehivavy,
Fanatsarana: Fahalalahana amin’ny fivezivezena (libre circulation des personnes) tokony ho hentitra ny tompon’andraikitra amin’io satria manimba zavatra maro, ohatra ny amin’ny fahasalamana
Ny hitovizan’ny lahy sy ny vavy na amin’ny sehatra inona na amin’ny sehatra inona, ohatra eo amin’ny fitondram-panjakàna ny vehivavy no Filoham-pirenena, ny antsasaky ny Filankevitry ny Kaominina tokony ho vehivavy
Tanjona hafa/sehatra hafa tiana ampidirina ao amin’ny Fenitry ny SADC momba ny Miralenta sy ny fampandrosoana
Ilaina ampiharina tanteraka ireo tanjona ao amin’ny Fenitry ny SADC momba ny Miralenta sy ny fampandrosoana rehetra ireo mba tena hisy marina ny fitovizana eo amin’ny Lahy sy ny Vavy na eo amin’nyt lafiny inona na amin’ny lafiny inona.
Naoty omena ny amin’ny hampiasana ny Fenitry ny SADC momba ny Miralenta sy ny fampandrosoana amin’ny asa atao
1. Tanjona sy tondro entina hamaritana ny ezaka vita hanatrarana ny Miralenta: 8/10
2. Fitaovana entina hamolavolana drafitrasa sy teti-bola momba ny Miralenta: 7/10
3. Fitaovana entina hampirisihana ny mpitondra hanatsara ny lalam-panorenana: 9/10
4. Fitaovana entina mandresy lahatra ny mpitondra hanatsara ny pôlitika momba ny Miralenta: 9/10
5. Fitaovana entina mandresy lahatra ny mpitondra hanatsara ny lalàna: 9/106. Fitaovana enti-mampianatra sy manentana ny vahoaka momba ny maha-zava-
dehibe ny Miralenta: 8/107. Fitaovana entina handrefesana ny fahatanterahan’ny mpitondra ny
fifanarahana nosoniavina/toky nomeny: 7/108. Fitaovana entina manentana eny ifotony: 10/109. Fanetsiketsehana ny hetsika ataon’ny vehivavy: 10/1010. Fitaovana entina hanentanana ny mpanao gazety mba hitatitra ny vaovao
misy amin’ny fomba tsy mitanila hahitana taratra ny Miralenta: 7/10
18