ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L ......ADES satria tena mitsitsy tokoa eo aminny fandaniana...

16
1 ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L’ENERGIE SOLAIRE (SUISSE-MADAGASCAR) Alain WASSERFALLEN Dagobert FRÖBEL Ry mpamaky hajaina, Politika vaovao momba ny fambolen-kazo no ampi- harin‟ny ADES amin‟ity taona 2019 ity, dia ny hoe : « isakin‟ ny fatana iray lafo dia fambolena zanakazo iray, miampy fika- rakarana izany mandritra ny telo taona». Raha ampitahaina tamin'ny politika teo aloha, dia vaky sasaka ny isan'ny hazo voavoly, nefa hihatsara ny kalitaon‟ny fambolen-kazo satria voaara-maso, izay ahafahan'ny ADES manamarina ny fomba fiasany amin'ny ady amin'ny faharipahan‟ny ala. Maro ireo fomba fambolen-kazo samihafa handramana mandritra ny taona, hanatanterahana io politika vaovao io. Eo amin'ny lafiny ara-pitantanana, nampidirina ny TVA araka ny fanapahan-kevitry ny minisitera, fiovana iray izay efa voafehy tsara ankehitriny. ADES dia nanapa-kevitra ny tsy hanova ny vidim-patana, fa noho ny fisiany TVA kosa dia niakatra ho azy ho 20% ny vidim-patana. Ny ADES Foibe dia manara-maso akaiky ny fiantraikan'ny fiakaran‟ny vi- din'entana amin‟ny varotra amin‟ity taona ity. Ny volana febroary no natomboka ny fanaparitahana ny fatana paraboly mandeha masoandro, novokarina eto amin‟ny Trano famokarana vaovaon‟ny ADES Toliara. Izany dia vokatra avo lenta izay manampy tsara ny fatana ma- soandro amin'ny fampiasana angovo maimai-poana azo avy amin‟ny masoandro. Efa nomanina fa ny mpividy io fatana io dia homena fiofanana momba ny fandrahoana amin‟ny he- rin‟ny masoandro, izay efa tafiditra ao amin‟ny vidim-patana; izany fampianarana izany dia atomboka amin‟ireo mpiasa ny ADES Foibe, izay mpisitraka voalohany ny fiofanana omen- dRamatoa Fara in-telo miantoana, ary izy ireo no ho tonga masoivohon‟ny ADES any amin‟ny fokontany izay misy azy any. Halefa any amin'ireo Ivotoerana ADES ny paraboly mbola tsy voatambatra, ka paraboly 4 isaky ny kesika ande- fasana azy(ireo kesika foana kosa dia hangonin'ny ADES satria vita amin'ny hazo). Mba hiantohana ny fahombiazany sy ny fiasan‟ny fitaovana tsara, dia nomena fiofanana mom- ba ny fanambarana ny fatana paraboly sy fampianarana ny fomba fampiofanana ireo mpividy fatana mba hahay hahan- dro amin‟ny fatana mandeha masoandro ireo mpanentana avy any amin‟ireo Ivotoerana ADES. Hampitaina any amin‟ny farany fotoana anaovana ny andrana ny fanombohana ofisia- ly ny fampiofanana ho an'ny mpanjifa. Noho ny fiaraha-miasa amin'ny Fondation Holandezy Zazamalala sy ny fanangonam-bola nataon‟izy ireo tany Erôpa tamin'ny faran'ny taona 2018, ny Ivotoerana ADES Morondava dia nahalafo fatana masoandro 60 ho an'ireo vehivavy ao amin‟ny fokontany Antsaribao akaikin'i Moron- dava. Ary mbola mitohy ity hetsika ity ! Ny fomba fiasan‟ny Fondation Zazamalala dia manolotra fatana masoandro iray ho takalon'ny asa fambolen-kazo ao amin'ny faritra arovany. Ireo no ohatra roa izay maneho hetsika hanovàna tsikelikely ny fomba nentim-paharazana eo amin‟ny fahan- droana sakafo. Ary manokatra lalana ho an‟ny fampiasana angovo avy amin‟ny masoandro eto Madagasikara. Am-pitiavana be.

Transcript of ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L ......ADES satria tena mitsitsy tokoa eo aminny fandaniana...

Page 1: ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L ......ADES satria tena mitsitsy tokoa eo aminny fandaniana saribao, ny fatana mafy no tsara tarehy, mihena arakizay ihany koa ny vola lany aminny

1

ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L’ENERGIE SOLAIRE (SUISSE-MADAGASCAR)

Alain WASSERFALLEN Dagobert FRÖBEL

Ry mpamaky hajaina,

Politika vaovao momba ny fambolen-kazo no ampi-

harin‟ny ADES amin‟ity taona 2019 ity, dia ny hoe : « isakin‟

ny fatana iray lafo dia fambolena zanakazo iray, miampy fika-

rakarana izany mandritra ny telo taona». Raha ampitahaina

tamin'ny politika teo aloha, dia vaky sasaka ny isan'ny hazo

voavoly, nefa hihatsara ny kalitaon‟ny fambolen-kazo satria

voaara-maso, izay ahafahan'ny ADES manamarina ny fomba

fiasany amin'ny ady amin'ny faharipahan‟ny ala. Maro ireo

fomba fambolen-kazo samihafa handramana mandritra ny

taona, hanatanterahana io politika vaovao io.

Eo amin'ny lafiny ara-pitantanana, nampidirina ny

TVA araka ny fanapahan-kevitry ny minisitera, fiovana iray

izay efa voafehy tsara ankehitriny. ADES dia nanapa-kevitra

ny tsy hanova ny vidim-patana, fa noho ny fisiany TVA kosa

dia niakatra ho azy ho 20% ny vidim-patana. Ny ADES Foibe

dia manara-maso akaiky ny fiantraikan'ny fiakaran‟ny vi-

din'entana amin‟ny varotra amin‟ity taona ity.

Ny volana febroary no natomboka ny fanaparitahana

ny fatana paraboly mandeha masoandro, novokarina eto

amin‟ny Trano famokarana vaovaon‟ny ADES Toliara. Izany

dia vokatra avo lenta izay manampy tsara ny fatana ma-

soandro amin'ny fampiasana angovo maimai-poana azo avy

amin‟ny masoandro. Efa nomanina fa ny mpividy io fatana io

dia homena fiofanana momba ny fandrahoana amin‟ny he-

rin‟ny masoandro, izay efa tafiditra ao amin‟ny vidim-patana;

izany fampianarana izany dia atomboka amin‟ireo mpiasa ny

ADES Foibe, izay mpisitraka voalohany ny fiofanana omen-

dRamatoa Fara in-telo miantoana, ary izy ireo no ho tonga

masoivohon‟ny ADES any amin‟ny fokontany izay misy azy

any.

Halefa any amin'ireo Ivotoerana ADES ny paraboly

mbola tsy voatambatra, ka paraboly 4 isaky ny kesika ande-

fasana azy(ireo kesika foana kosa dia hangonin'ny ADES

satria vita amin'ny hazo). Mba hiantohana ny fahombiazany

sy ny fiasan‟ny fitaovana tsara, dia nomena fiofanana mom-

ba ny fanambarana ny fatana paraboly sy fampianarana ny

fomba fampiofanana ireo mpividy fatana mba hahay hahan-

dro amin‟ny fatana mandeha masoandro ireo mpanentana

avy any amin‟ireo Ivotoerana ADES. Hampitaina any amin‟ny

farany fotoana anaovana ny andrana ny fanombohana ofisia-

ly ny fampiofanana ho an'ny mpanjifa.

Noho ny fiaraha-miasa amin'ny Fondation Holandezy

Zazamalala sy ny fanangonam-bola nataon‟izy ireo tany

Erôpa tamin'ny faran'ny taona 2018, ny Ivotoerana ADES

Morondava dia nahalafo fatana masoandro 60 ho an'ireo

vehivavy ao amin‟ny fokontany Antsaribao akaikin'i Moron-

dava. Ary mbola mitohy ity hetsika ity ! Ny fomba fiasan‟ny

Fondation Zazamalala dia manolotra fatana masoandro iray

ho takalon'ny asa fambolen-kazo ao amin'ny faritra arovany.

Ireo no ohatra roa izay maneho hetsika hanovàna

tsikelikely ny fomba nentim-paharazana eo amin‟ny fahan-

droana sakafo. Ary manokatra lalana ho an‟ny fampiasana

angovo avy amin‟ny masoandro eto Madagasikara.

Am-pitiavana be.

Page 2: ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L ......ADES satria tena mitsitsy tokoa eo aminny fandaniana saribao, ny fatana mafy no tsara tarehy, mihena arakizay ihany koa ny vola lany aminny

2

Volatiana RANDRESIARISOA

ADES ANTANANARIVO FIZARANA FATANA NIARAKA TAMIN’NY MADAGASCAR FAUNA AND FLORE GROUP(MFG)

Ny taona 2015 no niatomboka ny fiaraha-miasan‟ny ADES sy MFG. Ny tanjona dia ny hiarovana ireo varika tsy fahita afa tsy eto Madagasikara, hampihenana ny fampiasana ny arina fandrehi-tra izay tena isany mandripaka ny ala. Ny UICN (Union Internet Conservation Nature) no mamatsy vola ny tetik‟asa « SOS Le-murs (Save Our Species Lemurs) » mandritra ny 3 taona. Na-nomboka ny taona 2018 teo ny fanatanterahana io tetikasa io. Tsa-ra ny vokatra raha ny 2019, satria dia 700 indray ny fatana mitsitsy kitay no naterin‟ny ekipa ADES Antananarivo ny 29 aprily lasa teo. Izany no natao dia hanohizana ny fizarana any amin‟ny faritra aro-vana ao Betampona, izay 96 km miala ny Valajavaboary Ivoloina. Tanana 12, faritra 07, ary kaominina ambanivohitra 2, (Ambodirina sy Sahambala) no tena kendrena tamin’ity fizarana indray mitoraka ity. Miara-mientana ny rehetra sady vonona hiatrika ny sedra rehetra hiadiana amin‟ny faharipahan‟ny ala :

miampita renirano mitatitra ireo fatana sy ny maro hafa. Mpanenta-na 7 izay nofanin‟ADES tamin‟ny 2018 no anisany nanao ny fana-rahamaso, fanofanana momba ny fampiasana ny fatana ADES any ifotony. Afa-po ny fokonolona ary manohy mampiasa ny fatana mitsitsy ADES.

Fitanterana fatana ho any Ambodirina sy Sahambala

Varika arovana

EKIPAN’NY ADES TANA MAMBOLY HAZO

Amin‟ny lalam-pirenena faha 2 no misy ny CEG Ambato-manga izay malaza amin‟ny famokarana fromazy. Nanatanteraka fampianarana ara-tontolo iainana niaraka tamin‟ny mpianatra kilasy faha efatra tany ny ADES. Nitantara tamin‟ny Ray aman-

Fizahan-takelaka

Ny editorialy ….……..………………………….…….....…01

Fizarana fatana niaraka tamin‟ny « Madagascar Fauna

and Flore Group » …………………………………………02

Ekipan‟ny ADES Tana mamboly hazo ………….…...02-03

Fanadihadiana momba ny CO2 teto Antsirabe……...03-04

ADES Antsirabe feno 6 taona...…………………………..04

Ireo fikambanana miara-miasa amin‟ny ADES Centre Vert

ao Ejeda…………………………………………………04-05

Fiaraha-miasa vaovaon‟ny ADES Centre Vert sy ny

SALFA Ejeda……………………….………………...…05-06

Faha 5 taonan‟ny Ivotoerana ADES Fianarantsoa....…..06

Hafatra avy amin'ny Ramatoa RASOARIVELO Simona,

Talen‟ny fampandrosoam-paritra Matsiatra Ambony..06-07

Fanokafana revendeur any Nosy Be……………...…….07

ADES sy ny sekoly Mamiko ao Djangoa……………..…08

Andro iraisam-pirenena ho an‟ny fianakaviana tao Ambon-

drona / Fianarantsoa...…………………………….…..08-09

Ny hetsika jazz Nosy Be sy ADES...…………………..…09

Fiaraha-miasan‟ny WWF sy ADES Morondava....….09-10

Fiaraha-miasa amin‟ny Fondation Zazamalala...……….10

Andro iraisam-pirenena ho an‟ny ala..……………….…..11

Fanentanana natao tany amin‟ireo revendeurs...……….11

Trano famokarana paraboly mandeha masoandro.....…12

Fampiofanana ireo mpanentana ao amin‟ny ADES...….13

Mivoatra hatrany ny famokarana fatana ADES…..…13-14

ADES sy ny takariva niarahana tamin‟ny fiangonana no-

havaozina ao Hünenberg .....……………………….…....14

Misy foana ny olona tsara sitra-po !................................14

ADES tamin‟ny tsena ekolojika tao Saint-Gall...…….14-15

Fandrahoana : pizza amin‟ny fatana masoandro..…….15

Lalao…...…………………………...……………….……....15

Adiresin‟ireo Ivotoerana ADES ...…….…..………………16

Valiny lalao...…….………………………………......……..16

Fisaorana....………………………………….….………….16

Page 3: ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L ......ADES satria tena mitsitsy tokoa eo aminny fandaniana saribao, ny fatana mafy no tsara tarehy, mihena arakizay ihany koa ny vola lany aminny

3

-dreniny ny soa azo avy amin‟ny natiora: ny masoandro, ny ala ary ireo fomba fandrahoana vaovao ireo mpianatra rehefa no-dy. Vokatr‟izany dia navitrika ireo ray aman-dreny tamin‟ny fandraisana anjara amin‟ny fiarovana ny tontolo iainana tamin‟ny fampiasana ny fatana novokarin‟i ADES.

Ny fotoana fahadimy niarahana tamin‟ny CEG Ambatomanga dia ny fambolena zana-kazo “petites mandarines” natao fefin-tsekoly araky ny fanirian‟izy ireo. Mirefy 260 metatra manodidina ny sekoly, ka zanakazo 2.600 isa no novolena ary hazo iray antsoina hoe “mangarahara “ natao ho famantarana.

ADES ANTSIRABE

FANADIHADIANA MOMBA NY CO2 TETO ANTSIRABE

Nanomboka ny taona 2013 nisokafany ka hatramin‟izao dia anisan‟ny faritra voafidy nanaovana ny “Audit” CO 2 i Antsi-rabe, ny volana Martsa no nanatanterahana izany tamin‟iny taona 2018 iny. Tokantrano miisa 10 sy Mpivarotra fatana mitsitsy (Revendeur) miisa 3 no notsidihina nanaovana ny fanadihadiana. Tamin’ity dia ilay Keniana James CHIRCHIR avy ao amin’ny BUREAU VERITAS no nanatanteraka ny fanadihadiana, niaraka tamin‟ny tompon‟andraikitry ny CO2 avy amin‟ny ADES, Andria-matoa RAMILSON Faralahy.

Tamin‟ity indray mitoraka ity dia ireo tokantrano mampiasa fatana mitsitsy saribao no tena notsidihina, Fokontany telo dia Mahazoarivo Atsimo, Mahazoarivo Avaratra, ary Antsirabe Avaratra no nanaovana ny fanadihadiana.

Na izany aza anefa dia nanomboka tamin‟ireo mpiasany ADES teto Antsirabe no nanaovana ny fanadihadiana voalohany. Rehefa vita ny teto an-toerana dia nanomboka tamin‟ireo tokantrano izay nampiasa fatana amin‟izay.

Tsapa tamin‟ny valin-tenin‟ireo olona nanaovana fanadihadiana fa afa-po izy ireo amin‟ny fampiasana ny fatana mitsitsy ADES satria tena mitsitsy tokoa eo amin‟ny fandaniana saribao, ny fatana mafy no tsara tarehy, mihena arak‟izay ihany koa ny vola lany amin‟ny fividianana saribao.

Ireo mpiara-miombon‟antoka amin‟ny ADES izay mivarotra ireo fatana mitsitsy ihany koa dia anisan‟ny nanamafy ny fia-raha-miasa amin‟ny ADES, notsipihin‟izy ireo fa hatreto dia mahafapo ny fiaraha-miasa, ary samy mbola vonona ny hanamafy ny fiaraha-miombon‟antoka hatrany.

Marguerite RAZAFINDRAMORA

Niara-niasa ny rehetra ho fanatsarana ny ho avy Sary fahatsiarovana niarahany ADES–mpianatra sy ny mpampianatra

Fanadihadiana teto amin’ny foiben-toerana ADES Antsirabe Fanadihadiana tamin’ireo tokantrano mampiasa fatana mitsitsy

Page 4: ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L ......ADES satria tena mitsitsy tokoa eo aminny fandaniana saribao, ny fatana mafy no tsara tarehy, mihena arakizay ihany koa ny vola lany aminny

4

RANDRIANARISOA Bien-Aimé

Ny Antenne ADES eto Antsirabe dia manatontosa ny asa rehetra ataon‟ireo ivotoerana ADES ary manana tanjona tra-trarina isan-taona. Manao fanentanana, varotra, fanehoana ampahibemaso ny fomba fampiasana ireo fatana mitsitsy sy man-deha masoandro mba hisarihana ny olona hampiasa ny fatana. Betsaka ny sehatra efa miara-miasa, mbola maro ihany koa no hoentanina amin‟ity taona ity. Ny tanjona dia ho tafapaka any amin‟ny tokantrano tsirairay ny asa fanentanana ataon‟ny ADES hiarovana ny ala, hampihenana ny tahan‟ny fampiasana saribao sy kitay, ary mba hihatsara ny fari-piainan‟ny isa-tokantrano.

Fanadihadiana tamin’ireo olon-tsotra mivarotra fatana

Varo-mandeha teny Vinanikarena Fanamarihana ny faha-6 taonan’ny ADES Antsirabe

RANDRIANARISOA Bien-Aimé

CENTRE EJEDA

IREO FIKAMBANANA MIARA-MIASA AMIN’NY ADES CENTRE VERT AO EJEDA

Mpiara-miombon„antoka telo no niara-niasa tamin‟ny Centre Vert ny taona 2018 lasa teo, izay nanatanterahana fambo-len-kazo tamin‟ny velaran-tany 2,5 ha isany avy. Niampy telo hafa izany amin‟ity taona 2019 ity. Ny Fikambanana « Ankilifaly hiezake », ao Enosy Ankilifaly, « Safiry mahasoa » ao Antsevaseva-centre ary ny Fikambanana ao Namelomapia Kaominina Ejeda. Ireo Fikambanana ireo dia efa nahazo fiofanana ara-teknika momba ny famokarana zana-kazo (pépinière) sy ny teknika momba ny fambolen-kazo izay mifandraika amin‟ny tanjon‟ny ADES sy ny filan‟ny mponina ao an-toerana. Ny tanjona amin‟ity taona ity dia Fikambanana eny Ambanivohitra miisa sivy no hotratrarina, ka velaran-tany eo amin‟ny 15 ka hatramin‟ny 20 ha no hovolena zana-kazo amin‟ny fotoam-pambolen-kazo amin‟ny taona 2019 sy ny fiatombohan‟ny taona 2020.

ADES ANTSIRABE FENO 6 TAONA

Feno enina taona ny ADES Antenne Antsirabe, ny 13 May 2013 no nanokafana azy. Tany am-boalohany dia toerana fitobiana fatana avy amin‟ny toeram-pamokarana ADES Fiana-rantsoa no anto-pisiany. Andriamatoa OTTO FREI, izay Tale nasionaly tamin‟izany fotoana izany no tompo-kevitra tamin‟ny fananganana azy, ary mpiasa iray no nisahana ny raharaha rehetra teto. Ankehitriny dia anisan‟ny sampana iray tantanin‟ny Ivo-toerana Antananarivo ny ADES Antsirabe, ary ahitana mpiasa miisa telo ao : Atoa RANDRIANARISOA Bien-Aimé, Tomponan-draikitra voalohany, ary mpanentana roa mianadahy (Luanà sy Lanto) no miara-manatontosa ny asa fanaparitahana ireo fatana vokarin‟ny ADES sy manao ny fanentanana amin‟ny fiarovana ny ala tsy ho ringana eto amin‟ny faritry Vakinankaratra.

Page 5: ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L ......ADES satria tena mitsitsy tokoa eo aminny fandaniana saribao, ny fatana mafy no tsara tarehy, mihena arakizay ihany koa ny vola lany aminny

5

Tanin-jana-kazo ao Antsevaseva-Centre

Loubien ANDRIANANTENAINA

Tanin-jana-kazo sy fambolena

hazo ao Enosy-Ankilifaly

FIARAHA-MIASA VAOVAON’NY ADES CENTRE VERT SY NY SALFA EJEDA

Maro ny sehatr‟asa momba ny tontolo iainana efa niarahan‟ny ADES sy ny SALFA Ejeda nanatontosa: fampi-taovana fatana masoandro sy ny fatana mitsitsy ireo mpia-san‟ny hopitaly sy ireo mpitondra marary mahandro sakafo ao amin‟ny hopitaly. Nitatra izany fiaraha-miasa izany taty amin‟ny taona 2014-2015 tamin‟ny asa fambolen-kazo amin‟ny velaran-tany mirefy 9.2 ha izay nambolena ireo hazo zanatany izay efa manomboka mihalany nefa mampiavaka an‟ity Lemaky Mahafaly ity. Natao io fiara-miasa io mba ha-maliana ny hetahetan‟ny SALFA hanana toeram-pitsangatsanganana hoan‟ny marary sy mba hanatratrarana ny tanjon‟ny ADES ho famerenana ny ala simba.

Tany fambolen-kazo 9 ha notsidihan’i Atoa Dagobert Tale Nasionaly Lefitra ny ADES sy Atoa Otto

mivady, Tale Nasionaly ny ADES teo aloha

Mitohy ny fiaraha-miasa, ary hatomboka amin‟ity taona 2019 ity, fifanarahana vaovao mahakasika ny asa fambolen-kazo amin‟ny velaran-tany 2.1 ha. Hizara roa ny faritra hambolena hazo dia 1 ha hovolena hazo fihinam-boa ary ny ambiny kosa natokana ho hazo ala mampiavaka ny faritra.

Page 6: ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L ......ADES satria tena mitsitsy tokoa eo aminny fandaniana saribao, ny fatana mafy no tsara tarehy, mihena arakizay ihany koa ny vola lany aminny

6

Loubien ANDRIANANTENAINA

Mponina ao @ Fokontany Ambodirano Fianarantsoa

mijery ny horonan-tsary momba ny ADES

ADES FIANARANTSOA FAHA 5 TAONAN’NY IVOTOERANA ADES FIANARANTSOA

Notokanana tamin'ny 16 Novambra 2013, nahatratrarana ny faha-5 taonan‟ny ADES Fianarantsoa. Ny ekipa dia nana-marika izany tamin'ny fanambarana: " Ny iraka ataon‟ny ADES " nandritra ny volana Novambra 2018. Amin'ny ankapobeny, dia fantatry ny olona fa ny ADES no mpivarotra fatana mitsitsy tsara kokoa ary mividy fatana ny olona mba hampihenana ny vola mivoaka hamidy fandrehitra ao an-tokatrano. Izany no antony mahatonga ny lohahevitra, manome fampahalalana marobe momba ny ADES, isan‟izany ny iraka ataony amin'ny fiarovana ny tontolo iainana.

Fandaharana amin'ny fahitalavitra sy radio, fandefasana horonantsary momba ny ADES sy ny fiarovana ny tontolo iai-nana, ary koa “ tam-tams ” no natao tato anatin‟ny faritra 5 iasan‟ny ADES nandraisan‟ireo mpiasa rehetra anjara. Tafita ny hafatra. Ny mpanjifa dia tsy manontany fatana mitsitsy intsony amin‟ireo mpanentana ADES fa dia OLI, ma-metraka fanontaniana koa izy ireo ny amin‟ny fambolena hazo 2 isaky ny fatana iray lafo ary maniry izy ireo ny hamboly izany hazo izany izy tenany. Hatramin'izao dia mbola mitazona ny anjara toerany ny fatana ADES.

Famaritana ny tany hambolen-kazo 2.1 ha vaovao, niaraka tamin’ny Dokotera JUSTIN, Lehiben’ny SALFA Ejeda

Cécile BARINIRINA

HAFATRA AVY AMIN'NY RAMATOA RASOARIVELO SIMONA,

TALEN’NY FAMPANDROSOAM-PARITRA MATSIATRA AMBONY

Ramatoa RASOARIVELO Simona, Talen'ny fampandro-soam-paritra Matsiatra Ambony, dia isan'ireo manam-pahefana, nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny Ivotoerana ADES Fianaran-tsoa. Tamin‟izany no nanoloran‟ny ADES azy fatana mitsitsy sari-bao iray, ary mbola mandeha tsara na dia ampiasaina isanandro aza. Tena afa-po izy tamin'ny tombontsoa azony : dia ny fiihenan‟ ny saribao (taloha 3 gony isam-bolana amin‟izao kosa 1 sy tapany gony), tsy be setroka, ny vilany madio ary ny fatana mitana hafana-na tsara, dia nanapa-kevitra izy nividy fatana mitsitsy 2 hoan‟ny fianakaviany sy hampiasaina any amin‟ny tranony any ambanivohi-tra.

Vehivavy manaraka fitsipika, mavitrika amin‟ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana ny Faritra, nahafoy fotoana ho an‟ny ADES mba hampitana hafatra manan-danja : " Mihasimba ny tontolo iainantsika, izay isika olombelona ihany no mpanimba voalohany izany amin’ny fandripahana ala hatao fandrehitra handrahoana sakafo, doro tanety, ary tavy sns ... Tsapatsika ny fahasimbany sy ny fiantraikany eo amin'ny fiainantsika sy ny ho avin’ny taranantsika. Izany no vokatry ny ataontsika, aza faly ny mitaraina fotsiny, raiso ny andraikitra ! Ny asan’ny ADES dia manampy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fatana izay vokariny dia manalefaka ny fahasimban’ny ala, noho izany dia ilaina ny fandraisantsika anjara mavitrika

Page 7: ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L ......ADES satria tena mitsitsy tokoa eo aminny fandaniana saribao, ny fatana mafy no tsara tarehy, mihena arakizay ihany koa ny vola lany aminny

7

Ramatoa RASOARIVELO Simona, DDR HM, tamin’ny fitokanana ny ADES Fianarantsoa

Ramatoa Tale sy ny OLI-c ny 5 taona sy sasany : mitsitsy, mitana hafanana ary mafy tsara

amin'ny fampiasana ireo fatana mitsitsy. Ny fambolen-kazo, andao hajarintsika ny ala, ny olona tsirairay dia manana adidy mba ham-boly hazo iray avy ary ny hazo voakapa iray dia tokony ho soloina hazo iray na roa vaovao. Ny fahazarana nentim-paharazana tahaka ny doto-tanety dia manosika antsika handrava ny tontolo iainana, tongava saina mba hanova ny fitondran-tenantsika. Miangavy ireo mpisehatra amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra rehetra mba hampiditra ny fiarovana ny tontolo iainana sy hanamafy orina ny fiovana eo amin'ny fitondran-tena, ary koa ny mpanao gazety, ianareo dia mpisehatra stratejika.

Cécile BARINIRINA

Ny famokarana saribao dia mampitombo ny tahan'ny fandripahana ala, ilaina ny fiaraha-miasa matotra ny manam-pahefana eny ifotony (Ben'ny tanàna, ny Filoha Fokontany ...) mba haha ara-dalàna ny fitrandrahana. Mam-porisika ny ADES hamokatra bio charbon aho hampiasaina amin’ny fatana mitsitsy, amin’izay ho azo antoka ny fam-pihenana ny fandripahana ala. "

Mankasitraka an-dRamatoa RASOARIVELO Simo-na, Talen'ny fampandrosoam-paritra Matsiatra Ambony, noho ny fiaraha-miasa eo amin'ny fanatanterahana ity lahat-soratra ity sy ny fanohanany ny asan‟ny ADES.

Parabolin’ny Ramatoa Michelle

FANOKAFANA REVENDEUR ANY NOSY BE

Mitombo hatrany ireo faritra iasan‟ny ADES amin‟ny fiarovana ny tontolo iainana. Nahazo tombotsoa amin‟izany ny tany Nosibe, raha nandalo tany an-toerana ny ekipany ADES Mahajanga tamin‟ny volana Martsa lasa teo. Tena ilain‟ny mponina any ny fatana vokarin‟ny ADES, ka nataon‟ny ekipa izay fomba hananana « Revendeur » any an-toerana, dia i Ramatoa Kezia sy Andriamatoa Gerard, Tomponandraikitra ao amin‟ny Valanjava-boary Antongobe ao Nosy Be izay mahatsapa ny hasarobidin‟ny ala no resy

Revendeur vaovao any Nosy Be

RALAIVOAVY Aina Eddie

lahatra ka miara- miasa amin‟ny ADES. Nanararaotra nanao fanaraha-maso ireo olona efa mampiasa ny

fatana ADES ihany koa ny ekipa, isan‟izany Ramatoa Michelle mampiasa parabole 3, ary Ramatoa Claire Paniole manana Four Solaire, Parabole ary OLI-b.

Hita soritra fa afapo tokoa ireo olona izay efa manana ka mampiasa ny vokatra ADES.

ADES MAHAJANGA

Page 8: ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L ......ADES satria tena mitsitsy tokoa eo aminny fandaniana saribao, ny fatana mafy no tsara tarehy, mihena arakizay ihany koa ny vola lany aminny

8

Programme Ecole tao amin’ny sekoly Mamiko ao Djangoa

Fanentanana ireo ray aman-drenin’ny mpia-

natra tao amin’ny sekoly

Mamiko ao Djangoa

ADES CENTRE MOBILE ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FIANAKAVIANA TAO AMBONDRONA / FIANARANTSOA

Fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an‟ny Fianakaviana tamin‟ny faritra Matsiatra Ambony izay nampitondraina ny lohahevitra « Hiara-mientana isika hanome fiainana sosialy ho an’ny rehetra » nokarakarain‟ny Sampan-draharaham-paritra miahy ny Mponina teto amin‟ny faritra Matsiatra Ambony tao amin‟ny kaominina ambanivohitra Ambondrona, distrikan‟ny Isan-dra. Nasaina manokana ny ADES sy ireo mpiara-miombona antoka hafa amin‟ny Sampan-draharaham-paritra miahy ny Mponi-na : F.I.D, Prospéré, Orange Madagascar, Guanomad…..

Nisy ny fandefasana horonan-tsary mihetsika mikasika ny tontolo iainana, narahina fanentanana izay notontosain‟ny Ekipan‟ny ADES CM sy Aristide (ADES Fianara).

Nisy ny fanomezana loka fatana mitsitsy 3 (Oli-c) avy amin‟ny ADES ireo izay nahalafo be indrindra tamin‟ireo trano heva nandray anjara ho an‟ny mponina teo an-toerana.

RALAIVOAVY Aina Eddie

ADES SY NY SEKOLY MAMIKO AO DJANGOA

Noho ny fangatahan‟ny Talen‟ny sekoly MAMIKO ao Djangoa, dia tonga tany an-toerana ny ekipa ADES Mahajanga nanatanteraka fampianarana momba ny tontolo iainana ho an‟ireo ankizy manomboka ny kilasy faha 9, ny faha 5 -6-7 ny volana martsa 2019 lasa teo. Fampianarana arahina lalao ary fanentanana no natao tamin‟izany, Hita fa liana tokoa ireto ankizy ary nahatsapa fa zava-dehibe sy saro-bidy ny ala ka tokony harovana.

Tsy ny ankizy ihany anefa no nahazo tombotsoa tamin‟ izany fa nasaina manokana koa ireo ray aman-dreny sy mpam-pianatra izay nanaovana fanentanana ny vokatra izay ho entin‟ny ADES mba iarovana ireo ala sisa tsy simba. Resy lahatra ary nividy avy hatrany ny fatana ADES izy ireo. Nisaotra manokana ny ekipan‟ny ADES ny mponina teny Djangoa, indrindra fa ny tompon‟andraikitra voalohany tao amin‟ny sekoly ary manantena ny hisian‟ny fiaraha-miasa satria “ Asa vadi-drano tsy vita raha tsy ifanakonana ny fiarovana ny tontolo iainana ”.

Fijoroana vavolombelona nataon’ny mponina tao Ambondrona nandritry ny fijerena horonan-tsary.

Tranoheva ny Centre Mobile ADES nandritra ny fampirantiana

Page 9: ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L ......ADES satria tena mitsitsy tokoa eo aminny fandaniana saribao, ny fatana mafy no tsara tarehy, mihena arakizay ihany koa ny vola lany aminny

9

Hita fa liana tokoa ny vahoakan‟Ambondrona amin‟ny fiarovana ny tontolo iainana ary resy lahatra, ka maro ny nandray anjara tamin‟ny fividianana fatana mitsitsy (43 fatana mitsitsy lafo) tamin‟io andro io.

Fisaorana ho an‟ny Ben‟ny tanànan‟Ambondrona sy ny Vahoaka, ary ny Sampan-draharaham-paritra miahy ny Mponina teto amin‟ny faritra Matsiatra Ambony.

Ireo vahoakan’Ambondrona liana mijery ny fiarabe ny Centre Mobile ADES

Ireo Manam-pahefana nitsidika ny fiarabe ny Centre Mobile ADES

ANDRIANANTENAINA Mialiniaina

ADES MORONDAVA FIARAHA-MIASAN’NY WWF SY ADES MORONDAVA

Tamin‟ny taona 2018 dia nangataka ny hitohizan‟ny fiaraha-miasa amin‟ny WWF ny ADES Morondava. Tanteraka soa ama-tsara izany ka raikitra indray ny fizarana fatana mitsitsy tao amin‟ny kaominina ambanivohitra Ampanihy, tamin‟ ireo

Axel BRÜCKMANN

NY HETSIKA JAZZ NOSY BE SY ADES

ZA - Tours dia iray amin'ireo mpikarakara ny hetsika Jazz Nosy Be, izay atao isaky ny Paska. Tonga nanatrika izany ny Lehiben‟ny Tetik‟asa Centre Mobile, Atoa Axel BRÜCKMANN izay nanokatra tranoheva sy nanatitra fatana mitsitsy ho an‟ny mpanjifa iray : OLI-c sy OLI-b ary OLI 45 -b. Tamin‟izany no nanazavany ny fomba fampiasana ny fatana mitsitsy kitay. Ramatoa Isabelle Rakotozafy dia nanatanteraka fifaninanana mahandro sakafo hoan‟ireo tanora mpahandro sakafo. Teto izy ireo no naneho ny fahaizany mahandro tamin‟ny fatana mitsitsy saribao ADES. Ankoatra ireo tanora mpikarakara sakafo dia ton-ga teo koa ireo mpikambana ao amin'ny fikambanam-behivavy any amin'ny faritra voaaro ao Nosy be sy ireo nosy manodidina, ka samy nampiseho ny fomba fahandroana sakafo nentim-paharazana ireo tanora. Arak‟izany dia samy nampiasa sy nahita ny fiasan‟ny fatana mitsitsy avokoa ny rehetra. Notolorana loka fatana OLI-c ireo roa nahazo voalohany tamin‟ny fifaninanana ma-handro sakafo.

Mankasitraka ny ekipan'ny ZA-Tours izahay noho io fampiarahana ny lamozika-haify sy fifanakalozana eo amin'ny tano-ra sy ny olon-dehibe io. Misaotra azy ireo amim-pitiavana ihany koa noho izy ireo nanampy nitatitra ny fatana mitsitsy ADES.

OLI-c 2 natao loka Ireo tanora mpahandro nanao fifaninanana mampiasa ny Oli C

Page 10: ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L ......ADES satria tena mitsitsy tokoa eo aminny fandaniana saribao, ny fatana mafy no tsara tarehy, mihena arakizay ihany koa ny vola lany aminny

10

fokontany iraika ambin‟ny folo (11) tao aminy, raha toa ka efa vita ny 2016 ny fokontany valo (8) izay tapany voalohany tamin‟ny tetik‟asa. Tamin‟izany fotoana izany dia vola no fandraisan‟anjaran‟ireo tokantrano tsirairay izay te-hahazo ny fatana mitsitsy; tamin‟ity taona ity kosa dia nahita ny ADES fa mba hisian‟ny fandraisana andraikitry ny olona bebe kokoa amin‟ny fia-rovana ny tontolo iainana dia nosoloina fanomezana, fambolena sy fikara-karana zanak‟hazo roa (2) vao mahazo fatana mitsitsy iray. Ankoatr‟izay dia ny sefo fokontany no manome toerana ao amin‟ny fokontany hiadidiany hasiana izany zana-kazo izany. Nandritra izany tetik‟asa izany dia efatra amby efa-polo sy sivan-jato (944) ny fatana voazara ary valo amby valo-polo sy valon-jato sy arivo 1.888 zana-kazo no voavoly. Hita fa tena na-homby tokoa ny tetik‟asa satria niara-nientana ny tompon‟andraikitra ao amin‟ny fokontany iray sy ny fokonolona ao aminy hiaro ny tontolo iainana amin‟ny alalan‟ny fambolen-kazo sy fampiasana ny fatana mitsitsy. Fambolena zana-kazo niaraka tamin’ireo

mpahazo tombontsoa tamin’ny tetikasa WWF

Ireo mpahazo tombontsoa tamin’ny tetikasa WWF

FIARAHA-MIASA AMIN’NY FONDATION ZAZAMALALA

Ny Zazamalala dia toerana iray ao Antsaribao izay misy ny kara-zana hazo sy biby izay efa ho lany tamingana eto Madagasikara. Misy ihany koa ny karazan-kazo avy any ivelany izay hita ao. Manodidina ny toerana misy azy anefa dia mampalahelo fa manjaka ny fanapahana hazo hanaovana saribao, noho ny fahitan‟ireo mpikambana ao amin‟ny zazamalala izany olana goavana be izay mamotika ny tontolo iainana izany dia nanapa-kevitra izy ireo ny hanome fatana masoandro an‟ireo vehivavy manodidina ny vala-javaboahary mba hampihenana ny fampi-asan‟izy ireo ny kitay sy ny saribao, noho izany dia nangataka fiaraha- miasa tamin‟ny ADES izy ireo ny taona 2018 ho fanatanterahana izany.

Fanofanana fampiasana fatana masoandro ireo vehivavy mpa-hazo tombontsoa tamin’ny Teti-kasa ny fondation Zazamalala

RASOARIMALALA Ymelda Ella

Vehivavy mpahazo

tombontsoa tamin’ny

Tetikasa ny fondation

Zazamalala

Ho fandraisana anjaran‟ireo vehivavy ireo amin‟ny fahazoana fatana masoandro dia nasainy hiasa ao amin‟ilay toerana izy ireo mandritra ny 10 andro, ka ny asa atao amin‟izany dia manomana zana-kazo ham-bolena amin‟io toerana io ihany. Rehefa natao ny fisoratana anarana dia iraika ambiny fito polo (71) no nisoratra, ary hatramin‟izao dia ny enim-polo (60) no efa nisitraka izany. Ny anjara asan’ny ADES amin’izany dia ma-nentana, manome fiofanana ary manara- maso ny fampiasan‟ireo vehivavy ireo ny fatana masoandro.

Page 11: ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L ......ADES satria tena mitsitsy tokoa eo aminny fandaniana saribao, ny fatana mafy no tsara tarehy, mihena arakizay ihany koa ny vola lany aminny

11

ADES TOLIARA ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY ALA FARITRA ATSIMO-ANDREFANA

Nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an‟ny Ala tao amin‟ny Kaominina Antanimieva Distrikan‟ny Morombe ny Fari-tra Atsimo Andrefana, ny 21 Martsa 2019. Nandray anjara tamin‟izany ny Lehiben‟ny Faritra Mpisolo Toerana, ny Préfét n‟ny Toliara, ny Talem-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra (DREDD), ny Manampahefana tao en-toerana ary ireo Mpisehatra sy Mpiaramiombon‟antoka rehetra amin‟ny lafiny Tontolo iainana.

Amin‟ny maha mpiaramiombon‟antoka amin‟ny DREDD ny ADES, dia tonga nandray anjara mavitrika ta-min‟ny hetsika rehetra natao tamin‟izany ny ADES DRU. No-tohizana tamin‟ny filaharana (carnaval) niarahana tamin‟ireo fikambanana sy Sekoly nanodidina ny tanànan‟Antanimieva, narahina kabary nifandimbiasan‟ireo Manampahefana. Ireo rehetra izay nandray fitenenana dia samy nanamafy sy nam-pahatsiahy ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny ala sy ny tanjon‟ny Governemanta ankehitriny dia ny famerenana an‟i Madagasikara ho « Nosy maitso » toy ny teo aloha.

Taorian‟izay dia nisy ny hetsika ara-kolotoraly : dihy, hira, hatsikana mikasika ny fiarovana ny tontolo iainana no-tontosain‟ireo fikambanana misy teo an-toerana. Nofaranana tamin‟ny fandefasana horonan-tsary fanentanana momba ny fiarovana ny tontolo iainana ny lanonana. Anisan‟ny nalefa tamin‟izany ny horonan-tsary fohy mikasika an‟i ADES.

Atoa ANDRIAMANARANTSOA Andriamifidy , Tale ny ADES Toliara izao mamboly hazo aseho antsika amin’ny sary izato.

Kabary nifandimbiasan’ireo Manampahefana Ireo mpianatra ao Antanimieva tamin’ny “ carnaval ”

RAZAFIMANARANTSOA Andriamifidy

FANENTANANA NATAO TANY AMIN’IREO REVENDEURS

Ho fanentanana sy ho fampahafantarana ny fiovan‟ny vidim-patana, ary ho fampahafantarana ny fiovan-toeran‟ireo revendeurs, dia nisy ny hetsika fanentanana nataon‟ny ADES DRU eny amin‟ireny olon-tsotra mpivarotra fatana ADES ireny. Iray amin‟ireny ity aseho antsika eto amin‟ny sary ity, dia ny fanentanana natao teo amin-dRamatoa Raïssa, Magasin « Juste prix » ao Andolombazaha Toliara talohan‟ny fetin‟ny paska.

RAFANANENANA Roxanne

Page 12: ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L ......ADES satria tena mitsitsy tokoa eo aminny fandaniana saribao, ny fatana mafy no tsara tarehy, mihena arakizay ihany koa ny vola lany aminny

12

ADES FOIBE TOLIARA TRANO FAMOKARANA FATANA PARABOLY MANDEHA MASOANDRO

Nandritry ny am-polo taona maro, dia nahazo vahana teto Madagasikara ny fandripahana ala. Ny fiankinan-doha be loatra eo amin‟ny mponina tamin'ny fampiasana hazo sy ny saribao ho fandrahoan-kanina dia isan'ireo antony mahatonga ity fandripahana goavana ity ary izany no mahatonga ny ADES hampiroborobo ny vokatra isan-karazany hiadiana amin'ity loza be ity, ka isan‟izany ny fatana parabôly mandeha masoandro. Hatramin‟ny volana vitsivitsy lasa izay, dia tsy ADES no namokatra fatana parabôly fa novidiny tamina orinasa hafa ka namidy tamina vidiny nahena mba hahafahan'ny olona maro hividy izany. Tamin'ny 08 septambra 2018 no nanitatra tamin'ny fomba ofisialy ny famokarana parabôly mandeha masoandro ny ADES raha nanangana Trano famokarana lehibe natokana ho an‟izany tao amin'ny Foibe Nasionaly Mitsinjo Betanimena (Toliara) ireo talen'ny ADES, Dagobert FRÖBEL sy Alain WASSERFALLEN. Ity Trano famokarana ity dia mampiasa milina ma-tanjaka novatsian'ny Fondation STUDIOSUS (Munich, Alemaina). I Richard sy i Camisthi no miandraikitra ny famokarana fatana parabôly ary afaka mamokatra hatramin'ny telopolo fatana isam-bolana izy ireo. Matanjaka tsara ary mora ampiasaina kokoa ny parabôly vaovao, ary ny takelaka manjelatra tsara indrindra eo amin'ny tsena iraisam-pirenena no anamboarana azy. Mihena ho 25% ny fotoana fandrahoana sakafo aminy, izay tena nankafizan‟ireo nahazo azy voalohany ka nahafaly azy tokoa. Azo atao amin'ny tondron-tanana iray ny fampitodihana azy manatrika ny masoan-dro. Amin'ny manaraka dia mbola hohatsaraina hatrany ny akora hampiasaina, mba hanamora bebe kokoa ny asa fandrahoana sakafo amin‟ny masoandro.

Hatomboka eto amin‟ny firenentsika ny fampielezana an‟ireo fatana parabôly vaovao ireo. Noho izany, nisy fanomeza-na fiofanana ireo mpampiofana (mpanentana / na teknisiana) avy amin'ireo Ivotoerana ADES rehetra izay notanterahana nan-dritry ny hefarana teto amin'ny Foibe nasionaly mba hahafahan'izy ireo manofana ireo mpanjifa ny fatana parabôly. Ho an'ny Foibe nasionaly, eto Toliara, nisy koa ny fiofanana in-telo misesy nomena ireo mpanjifa vaovao sy ny mpiasa ADES izay te-hanana sy te-hampiasa io parabôly mandeha masoandro io any an-trano. Saika ny mpiasan'ny ADES Foibe Na-sionaly rehetra no nanatrika ny fampiofanana. Mikasa ny hanitatra io fampiofanana io ny ADES ho an'ny mpanjifany vaovao rehetra mba hampiroboroboana ny angovo azo avy amin'ny masoandro sy hanamorana ny fiovan'ny fahazarana amin‟ny fom-ba fandrahoan-tsakafo.

Fanokanana Trano famokarana

fatana parabôly masoandro tao

amin’ny Foibe Nasionaly ADES

ao Mitsinjo Betanimena /Toliara

Fampiofanana mahandro amin’ny parabôly Camisthi sy Richard miasa ao amin’ny trano famokarana paraboly

Dagobert FRÖBEL

Page 13: ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L ......ADES satria tena mitsitsy tokoa eo aminny fandaniana saribao, ny fatana mafy no tsara tarehy, mihena arakizay ihany koa ny vola lany aminny

13

FAMPIOFANANA IREO MPANENTANA AO AMIN’NY ADES

Ho fanatsarana hatrany ny kalitaon‟ny fanentanana sy ny fanabeazana momba ny tontolo iainana eo anivon‟ny ADES, dia nanapa-kevitra ny nanome fiofanana ireo Mpanentana ny ADES Foibe ny 28 janoary ka hatramin‟ny 2 febroary 2019. Lohahevitra telo lehibe no nojerena tamin‟izany: ny Marketing sy ny varotra izay nampianarin-dRamatoa Naomy AN-DRIAMALALA, Tale ny Ivotoerana ADES Antananarivo, ny andro voalohany. Narahany fandraisan‟anjaran‟Atoa FELICIEN Eloi Gauthier, Tomponandraikitry ny Programme Ecole ato amin‟ny ADES, izay nitondra fanazavana momba ny asa fototra ao amin‟ny Programme Ecole sy ny fampitoviana lenta izany manerana ny Ivo-toerana ADES rehetra, ny andro faharoa. Ny telo andro sisa kosa dia natokana hoan‟ny mpampiofana avy ao amin‟ny CREE (Centre de Recherche en Education Environnementale) izay nahitana ny Dokotera RABOTOVAO Sylvain, Lehiben‟ny Ivotoerana, ary ireo Teknisianina roalahy RA-KOTONOMENJANAHARY Saotra Solonirina sy RAFANOMEZANTSOA Mario Andriniaina. Ny telo andro farany fiofanana dia niompana tamin‟ny fahalalana fototra momba ny tontolo iaianana sy ny fitantanana ny harena voajanahary, teknika momba ny fanabeazana ho fampandrosoana maharitra ary ny fifandraisana amin‟ny fampandrosoana

Nahazo fahalalana maro ireo mpanentana no sady afaka manome lesona momba ny tontolo iainana manaraka ny tekni-ka fanabeazana ho amin'ny fampandrosoana maharitra ireo mpianatra. Ary maniry ny hisian‟izany fiofanana izany matetika mba hanamafisana ny fahalalana azon‟izy ireo. Nofaranana tamin'ny fitsangatsanganana teny amin'ny farihy Tritriva ny fiofanana ta-min'ny andro farany.

RAHOLIARISOA Welline Eula

MIVOATRA HATRANY NY FAMOKARANA FATANA ADES

Amin'ity taona 2019 ity, ADES dia nanapa-kevitra ny hanatsara ny famokarana fatana amin'ny fampiasana « codes-barres ». Ny « codes-barres » dia ampiasaina ho fanamafisana ny lahara-patana natao amin'ny takelaka alimo amin‟ny fata-na mitsitsy. Ampiasaina hanamorana ny famakiana ny lahara-patana amin'ny fampiasana fitaovana pistolet. Ny fampiasana ny pistolet dia manatsara ny asa. Mampihena ny fotoana lany amin‟ny fampidirana ny laharany fatana ao amin‟ny base de données, ny fitanterana na ny fanaterana, ny varotra any amin‟ireo olon-tsotra mpivarotra fatana, fitantanana ny tahirim-patana, fitantanana ny fidirany sy fivoahany fatana, sns. Ny ekipan'ny sampana informatika tarihan'i MANAMISOA Toussaint, eo ambany fiahian‟i Atoa Dagobert no nanao ny fikarohana, ny famolavolana ary ny fampandrosoana ny tetikasa. Ny fampiofanana dia natao amin‟ireo ivotoerana mba ham-pahomby ny fampiasana ity rafitra vaovao ity. Ny fampiasana « codes-barres » dia tena nahitana tombontsoa satria tsy mandany andro ny fampiasana ny pistolet hakana ny laharam-patana ary mampiditra izany mivantana ao anatin‟ ny solo-saina raha toa ka mbola vakina sy adika amin‟ny taratasy izay vao ampidirina tsirairay ao anaty solo-saina izy teo aloha. Mora ny fampidirana ny laharan‟ireo fatana satria tsy mila ampidirina amin‟ny tanana intsony. Tombony ihany koa satria manafoana ny fahadisoana mety hisy eo ampam-pidirana ny laharana fatana, izay tena ilaina amin‟ny fanaraha-maso. Azo antoka fa ny mpanjifa dia manana ny lahara-patana voarakitra ao anatin‟ny tahiry ADES.

Aristide, misolo-tena ny Mpanentana ADES Fianaran-tsoa maneho ny dingana efatra momba ny fanabeaza-

na ara-tontolo iainana

Fampianarana momba ny marketing sy ny varotra nataon-dRamatoa ANDRIAMALALA Naomy

Page 14: ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L ......ADES satria tena mitsitsy tokoa eo aminny fandaniana saribao, ny fatana mafy no tsara tarehy, mihena arakizay ihany koa ny vola lany aminny

14

MISY FOANA NY OLONA TSARA SITRA-PO !

Amin‟izao fahatongavan'i André Grossen sy Petra Bolfing izao, ny eki-pany ADES ao Mettmenstetten dia feno. Ny tapaky ny volana Novambra 2018 ny andro voalohany nanombohan‟i André, mikarakara ny fitantanana sy ny fifandraisana no andraikiny ao. Petra dia nanatevin-daharana ny ekipa tamin'ny tapaky ny volana janoary tamin'ity taona ity, ary izy no mpikaroka famatsiana ara-bola ny ADES. Mankasitra izao fahafoizan-tenan‟izy roa reto izahay, faly sy ravo amin‟ny fiara-miasa. Miarahaba n‟i André sy Petra tongasoa ato amin'ny fianakaviamben'ny ADES !

Laharany fatana amin’ny alimo sy

ny code barre

Fampiasana ny pistolet hitiliana ny

laharam-patana ampidirina amin’ny

solo-saina

Tanja, Rita, Petra et André

MANAMISOA Toussaint

ADES SUISSE

ADES SY NY TAKARIVA NIARAHANA TAMIN’NY FIANGONANA NOHAVAOZINA AO HÜNENBERG

Ny fiangonana nohavaozina ao Hünenberg dia nanasa an'i ADES tamin‟ny takari-va niarahana tamin'ireo konfirmanda, tamin'ny 15 martsa 2019. Famelabelaran-kevitra momba ny ADES no nanombohana ny lanonana, izay notarihin'i Rita BACHMAN, lehi-ben‟ny ADES, ka nanazavany ny angovo ampiasaina amin'ny fahandroana sakafo eto Ma-dagasikara sy ny vahaolana hafa entin'ny ADES mba hampihenana ny fandripahana ala vokatry ny fampiasana kitay sy saribao atao fandrehitra. Avy eo dia niara- nandeha tany an-dakozia daholo ny rehetra nanomana ireo legioma, ary nahandro lasopy roa vilany ta-min‟ny fatana mitsitsy saribao ADES. Nandritra io fotoana io dia nifanakalo hevitra momba ny vahaolana azo atao amin'ny ambin-tsakafo tsy lany (food waste) ireo tanora. Nandritra ny fotoam-pisakafoanana dia nanohy ny fifanakalozan-kevitra ireo olon-dehibe.

Teo ampisakafoanana ny lasopy

Fahandroana lasopy tamin’ny fatana mitsitsy saribao

ADES TAMIN’NY TSENA EKOLOJIKA TAO SAINT-GALL

Ny 16 May 2019, ny hetsika tsena ekolojika dia natao tao Saint-Gall. Nan-dray anjara tamin‟izany ny ADES ka nitana tranoheva iray nampiranty ireo fatana vokarin‟ny ADES aty Madagasikara sy ny ezaka rehetra atao mba hampihenana ny fampiasana ny kitay sy ny saribao ho fandrehitra handrahoana sakafo. Nan-gatsiaka ny andro ka ny tolak‟andro vao nipoitra ny masoandro. Na izany aza dia liana tehahalala momba ny ADES ny vahoaka ary afaka nifampiresaka tsara.

Page 15: ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L ......ADES satria tena mitsitsy tokoa eo aminny fandaniana saribao, ny fatana mafy no tsara tarehy, mihena arakizay ihany koa ny vola lany aminny

15

LALAO Mitsivalana : 1. Baobab « Adansonia », fianakaviana « Bombacaceae », tsy fahita raha tsy any atsimo sy avaratra-andrefan'ny Madagasikara, atahorana ho lany tamingana. 10-40 m ny haavony ary 6 m ny savaivony, maniry amin’ny ala maina eto Madagasikara; vatany sy ny sampana miloko mavokely-matsatsotsatso. Mamelana ny Novambra-Febroary. Ny voany lavalava ary boribory ny tendrony roa, matevina ny hodiny, ao anatiny ahitana vihiny boribory azo anaovana menaka. 2. Teknikam-pambolena faha-ntaolo, mampiasa afo ho fitaovana enti-manadio sy mampamokatra mba ho fitrandrahana bebe kokoa ny tany, nefa manimba ny fifandanjan'ny “biodiversité”. Maro ny anarana iantsoana azy maneran-tany: ladang (Indonezia), lougan (Afrika), milpa na chacra (Amerika atsimo), ray (Indosina), ….eto (Madagascar). 3. Teny tadiavina 4. Baobab zanatany eto Madagasikara, fianakaviana « Malvaceae », tsy hita raha tsy any andrefan'i Madagasikara anatina ala maitso matevina. Baobab azo lazaina hoe kely, matetika 4-5m nefa mety hahatratra 20m indraindray ny haavony. Vatany miendrika tavoahangy, mivolondavenona malefaka rehefa tanora ary mavo manompy mena rehefa antitra. Ny voany miloko mavo maka volomboasary. 5. Biby mandandy efa nisy hatramin’ny fahagola, ny rambony miforitra boribory. Misy 85 karazana izy io, 4 taona eo ho eo ny androm-piainany, hita any amin'ny kaontinanta Afrikana, ary ny roa ampahatelony dia hita eto Madagasikara, karazana iray any Eoropa. Mandeha ambony hazo, mandady eo amin’ny tany indraindray, miovaova loko, ny masony roa afaka mahita zavatra roa samy hafa hahafahany manombana ny elanelana misy rehefa izy miremby. Ny lelany dia afaka mihalava mihoatra ny vatana rehefa misambotra ireo bibikely ao anatina tapa-tsegondra monja. Mihinana zavamaniry toy ny voaroy, ravin-kazo, ary bibikely” Mitsangana I. Hazo zanatany eto Madagasikara, maniry amin’ny faritra maina sy mando ao amin’ny faritany Toliara, Mahajanga ary Antsiranana. Mirefy 2 ka hatramina 9 metatra ny haavony. Ny hodiny sy ny raviny ankana menaka fanorana hitsaboana tazo, tazomoka, ary hozatra noho izy mahafaka fanaintainana. Atao hazon-trano ny hazony. II. Voana hazo antsoina hoe “ Morinda citrifolia”, 3-6m ny haavony, fianakaviana “ Rubiaceae, hazo zanatany any Azia sy Aostralia, voankazo miendrika atody miloko maitso-mavo izay mihafotsy rehefa matoy, misy voany kely maintimainty ao anatiny. Ny felany fotsy madinidinika mitangorona amin’ny tahony. Ahitana vitaminina C avo telo heny noho ny voasary.

Tanja ROSE

Valiny lalao pejy faha 16

I

1

2

II

3

4

5

REDAHY Yves

FANDRAHOANA : PIZZA AMIN’NY FATANA MASOANDRO

Zavatra ilaina :

Lafarinina ¼ kg, toto-kena ¼ kg, voatabia 2, tongolo be 1, poivron 1, voatabia anaty boaty 2 ny sotro fisakafoanana, jum-bo na fanomezana hanitra hafa 1 sotrokely, fromage vita Malagasy 1, menaka 3 ny sotro fisakafoanana ary leviora voany in-droa mitsongo, sira.

Fanomanana :

Avelatra mialoha ny fatana masoandro mba hahazo hafanana. Atao anaty kopy ny voatabia amy boaty, asiana rano mangatsiaka kely. Hafanaina anaty vilany ny menaka 2 sotro, arotsaka ny toto-kena sy ny antsasaky ny jumbo na ny fanomeza-na hanitra sy sira. Tapahana boribory ny poivron, ny voatabia ary ny tongolobe. Atao anaty koveta ny lafarinina ary arotsaka tsikeli-kely ao ny rano nafangaro leviora sy menaka iray sotro efa mi-fangaro tsara, haroina amin’ny tanana mba hahazoana ny Paty pizza. Rehefa mitambatra tsara dia fisahana tsara amin’ny ta-voahangy na ny “roulette” fanamboarana mofo eny ambony lata-batra ny paty, rehefa manify tsara dia atao anatin’ny lasitra bori-bory dia tapahana manaraka ny sisiny araka ny habeny lasitra. Aparitaka eo amboniny ilay voatabia amy boaty nasiana rano tery aloha, aparitaka toy izany koa ny toto-kena avy nandrahoina, haingoana amin’ireo poivron, voatabia ary ny tongolobe voatapa-tapaka boribory. Ary faranana amin’ny fandrarahana ny antsasa-ky ny fromage voakiky eo amboniny. Jerena ny hafanany fatana raha mahatratra 100 ° C no miakatra dia ampidirina ao anatiny ny pizza. Faharetany fahandroana: 40 minitra

Mazotoa misakafo !

Tranohevan’ny ADES Tamin’ny tsena ekolojika tao Saint-Gall

Page 16: ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L ......ADES satria tena mitsitsy tokoa eo aminny fandaniana saribao, ny fatana mafy no tsara tarehy, mihena arakizay ihany koa ny vola lany aminny

16

Producteur Editeur: RASOANIRINA Oméga

DIRECTION NATIONALE Route Betanimena Tél : +261(0)20 94 444 63 Courriel : [email protected] Centre Antananarivo Ambohijatovo, Avaratra Bâtiment Imanga kely près de JIRAMA Tél: +261(0)20 22 377 93 +261 (0)32 05 298 57 Courriel : [email protected] Antenne Antsirabe Ampihaviana Immeuble Volavita Tél : +261 (0)32 05 297 54 Courriel : [email protected] Centre Vert Ejeda Tél : +261 (0)32 05 411 70 Courriel : [email protected] Centre Fianarantsoa Ambalamarina / Mahazengy Tél : +261 (0)32 05 277 54 Courriel : [email protected]

Centre Mahajanga Villa Cassidy Antanimasaja Tél: +261 (0)32 05 622 63 Courriel : [email protected] Centre Mobile Ambohijatovo, Avaratra Bâtiment Imanga kely près de JIRAMA Tél: +261(0)20 22 377 93 +261 (0)32 05 622 64 Courriel : [email protected] Centre Morondava Sanfily Tél : +261(0)32 05 297 63 Courriel : [email protected] Centre Toliara Ampasikibo/Villa Masoandro Tél : +261(0)20 94 445 44 +261 (0)33 08 457 54 Courriel : [email protected] SUISSE : Rita BACHMANN, Présidente Générale ADES im Grindel 6 CH-8932 Mettmenstetten, Tél : +41(0) 44 466 60 50 Courriel : [email protected]

jeux n° 003: Horizontale : 1-ZA 2-TAVY 3-RANOMAFANA 4-FONY 5-TANALAHY Verticale : I - KATRAFAY II-NONY

Fisaorana

Ry mpamaky hajaina,

Mankasitraka hatrany antsika rehetra mpamaky tsy tapaka ny gazetiboky izay vokarin‟ny ADES.

Misaotra anareo amin‟ny fandavà-tenanareo liana tehahalala ny vaovao arosonay eto.

Misaotra ny mpiara miasa rehetra eto amin‟ny ADES nohon‟ny fanoloran-tenanareo amin‟ny asa

izay iankinan‟ny fahombiazana idealy iombonatsika rehetra dia ny fiarovana ny tontolo iainana tsy ho potika.

Ry mpiara miombonantoka, ny tolo-tanana avy aminareo dia hery lehibe nanohana anay ADES

amin‟ny fanatanterahana ny asanay. Misaotra !

Misaotra amin‟izay rehetra nanampy tamin‟ny fanatanterahana ity gazety ity fa tena mahafinaritra

tokoa ny manao zavatra izay heverin'ny olona tsy vita nefa tontosa hatramin‟ny farany. Misaotra betsaka e !

Adiresin’ireo Ivotoerana ADES :

www.adesolaire.org